samedi 26 juillet 2014

Fialan-tsasatry ny mpianatra : tsy mahay milalao sy miala voly ny zaza malagasy ankehitriny

« Tafiditra ao anatina « génération d’écran » ny zaza malagasy ankehitriny », hoy ny           Dr. Nalisoa Ravalitera, mpampianatra mpikaroka. Tsy mahafantatra afa tsy ny « jeu vidéo », « jeu PC »
, televiziona, internet, blog, site web… Tsy mahalala intsony ireo karazana kilalao fialamboly fanaon’ny Malagasy fahiny.
« Raha ankizy no tsy hilalao, modia ho tanora », hoy ny ohapitenenana malagasy. Fiteny maneho fa mila milalao sy miala voly ny zaza sy ny ankizy.

Efa ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe, ankehitriny, ny ankamaroan’ny mpianatra any amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Mibahan-toerana amin’ny fandaharam-potoan’izy ireo ny lalao sy ny ala voly. Tsy miala lavitra amin’ireo zava-panaon’ny mpianatra amin’ny fotoana tsy ianarana (alarobia hariva sy asabotsy tontolo) anefa izany. “Jeu video” any amin’ny efitrano fanaovana izany.
Tranga azo adika ho tsy fahaiza-milalao sy miala voly. Tsy vitsy amin’ny zaza sy ny ankizy malagasy amin’izao aza no milaza fa “lany hatao”… Satria, sady efa leon’ny mankany amin’ny “salle des jeux” ry zareo  no saika efa hainy tsianjery avokoa ny karazan-dalao ao amin’ny PS2, PS3 ary ny Xbox.
Amin’ny ankapobeny, tsy fantatry ny zaza sy ny ankizy malagasy miaina amin’izao fotoana izao ny tena lanjan’ny kilalao sy ny anjara toerany eo amin’ny fiainany. Na tsy nianatra sy tsy nandalina an-tsoratra ny siansa aza ny Ntaolo, efa nahay fa fanomanana ny hoavy ny lalao sy ny fialamboly fa tsy fahafinaretana fotsiny.

Tsy mahagaga raha ratsy taiza ny zaza malagasy sasany

Manana ny anjara toerana lehibe eo amin’ny fitaizana ny zaza sy ny ankizy ny kilalao sy ny fialamboly. Tsy mahagaga raha ratsy taiza ny zaza sy ny ankizy sasany ankehitriny satria tsy mahay milalao sy miala voly. Ratsy taiza satria tsy novolavolain’ny lalao sy ny fialamboly hanana saina tia karokaroka sy mamorona. Tsy manana saina mivelatra afaka handinin-javatra fa miandry hotolorana hatrany.
Manana akony lehibe eo amin’ny fiainan’ny zaza amin’ny fotoam-pahalehibeazany, ohatra, ny tsy nahitany tokotany (voafehin’ny rindrin’efatra) fony fahakeliny. Sahirana kokoa izy ireny raha ampitahaina amin’ireo zatra nilalao niaraka tamin’ny namany raha eo amin’ny fifandraisana aman’olona. Tsy mahagaga raha very ny “izay mitambatra vato, izay misaraka fasika”. Nanjary mibahan-toerana ny samy maka ho azy. Fiarahamonina mifampiolonolona, lavitry ny firaisankina. Samy mihevi-tena ho “zavatra” satria tsy zatra niara-nilalao tamin’ny olon-kafa ka tsy mahalala akory ny fisian’izy ireo.

Ny ray aman-dreny no diso

Tsy afa-belona amin’ny tsy fahaizan’ny zaza sy ny ankizy malagasy milalao ny ray aman-dreny (Dada sy Neny) sy ny raiamandreny. Tsy mba nampahafantatra ny fisian’ny fanoron-telo, fanoron-dimy, katro, araboka, tanisa, kiombiomby, mampiady ravina, raosijamba, sns, izy ireo. Nomarihin’ny zaza sy ny ankizy nanaovana fanadihadiana fa “na i Dada sy mamanay aza tsy mahay izany”.
Tsy andaniam-bola be ireo kilalao ireo, saingy tsy vitan’ny ray aman-dreny malagasy ny nampita azy tamin-janany. Na ny fitantarana angano aza tsy tontosan’ny ray aman-dreny amin-janany intsony. Angano izay nataon’ny Malagasy ho fanabeazana ny sain’ny zanany mba hahay handinika ny fifamenoana eo amin’ny olombelona sy ny zavaboary.
Tsy ratsy akory ny fananana ordinatera, PS3, XBox, sns, any an-trano. Toraka izany koa ny fandefasana ny zaza any amin’ny “salle des jeux”… Saingy, tsy voavidy vola kosa, ny soa azo avy amin’ny fanorona, tanisa, angano sy arira, sns, raha hitaizana sy hanabeazana ny zaza sy ny ankizy malagasy. Raha ny fandinihan’ny mpahay momba ny fivoaran’ny fiarahamonina, efa anarivo taona maro no niforonan’ny sasany amin’ireny lalao na kilalao malagasy ireny ka azo antoka ny fampiasana aza ho fitaovam-panabeazana mahomby.

Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa anisan’ny nampirindra ny fiarahamonina malagasy fahiny ny nitaizana ny zaza sy ny ankizy tamin’ireny karazan-kilalao sy fialamboly samihafa ireny. Goavana indrindra tamin’izany ny tsy nahasahian’ny Malagasy nandatsak’aina, fahatahorana an’Andriamanitra, sns.

HaRy Razafindrakoto

 Tsara ho fantatra

Tsy mbola misy akony lehibe any amin’ny efitrano filalaovana “jeux” (araka ny fiantsoan’ny ankizy azy) aloha hatramin’izao ny fialan-tsasatra lehibe. Nitombo 5 ka hatramin’ny 15% eo ho eo ihany ny isan’ny ankizy miditra amin’izy ireny.

Mbola maro mpilalao ny baolina kitra noho ny sarany 200Ar na 300Ar. Ny lalao hafa kosa efa tafakatra 2.000Ar. ka hatramin’ny 2.500Ar. na mihoatra izany aza raha mampiasa ny Xbox. Na izany aza, nomarihin’ny mpitantana ireny “salle des jeux” ireny kosa, fa somary nitombo ny ora ijanonan’ny ankizy ao amin-dry zareo raha oharina tamin’ny fotoam-pianarana. Milalao elaela kokoa ry zareo.