jeudi 24 juillet 2014

MPANAO GAZETY NIGADRA : Naneho ny firaisankina ireo mpanao « Facebook »

Niha nafotaka ny fanehoan-kevitra tamin’ireo pejy sy vondrona Facebook isan-karazany manoloana indrindra ny fitazonana am-ponja ny Talen’ny famoahana eo anivon’ny gazety Madagascar Matin sy ny mpanao gazety iray ao amin’ity gazety ity.
                    
Anisany fihetsika nasehon’ny mpanao « Facebook » maro ny fampitoviana sary famantarana na « photo de profil ». Sary izay maneho tanana milaza hoe : « aza elingelenina ny fahalalahako miteny ». Eo koa ireo nisafidy sary maneho mpanao gazety ao am-ponja. Miombom-peo amin’ny mpanao gazety ihany koa, araka izany, ireo mpiserasera amin’ny Facebook. Nafana ny tambajotra Facebook ary nafana ny antsoantso amin’ny tokony hamotsorana tsy misy fepetra ireo mpanao gazety roa lahy ireo. Tsikaritra koa fa tsy ireo mpanao « Facebook » monina eto Madagasikara ihany no manaraka akaiky izao raharaha antsojay mahazo ny mpanao gazety izao, fa manaraka akaiky ary naneho ny heviny koa ireo Malagasy monina any ivelany ary ao anatin’izany ireo zanak’ i Toamasina mila ravinahitra any ivelany.

Kamy