samedi 26 juillet 2014

Ny Fomba amam-panao no samy hafa fa iray ihany ny Malagasy

Na inona na  inona ambara mikasika ny toerana niavian’ny razambentsika, manana fitoviana ao anaty fahasamihafana isika Malagasy. Ahitana taratra izany ny fomba amam-panao sasany, izay mbola misy manatanteraka mandraka ankehitriny. Anisan’ireny ny “joro”.
Raha tsiahivina, fomba atao ho fangataham-pitahiana amin’Andriamanitra sy firariana soa amin’ny zavatra izay hatsangana ny “joro”. Na misy aza ny pitsopitsony tsy itovian’ny foko na faritra tsirairay amin’ny fanatontosana izany, iraisana ny votoatiny sy ireo dingana lehibe arahina amin’ny fanaovana “joro”.
Voalohany, tsy afa-misaraka amin’ny fanatanterahana ity fomba amam-panao malagasy ity ny famonoana omby, na faritra aiza na faritra aiza io. Eo koa ny fanononam-bavaka, ny fizarana ny hena amin’ny fokonolona, sns. Ny zava-dehibe hita ho tena mampiray antsika indrindra, ny fakana santionany amin’ireo karazan-kena mandrafitra ny vatan’ny omby. Ho an’ny foko sasany, andrahoina ireo ary natokana hohanin’ny Ampanjaka.
Ho an’ny hafa, toy ny hita tany Ampasipotsy Ranomafana, atono ireo karazan-kena ireo ka tsy asiana sira. Alaina ny ampahany, rehefa masaka, ary apetraka eo ambony ravin’akondro, izay efa novelarina tsara eo ambonin’ny fary efa natsatoka tamin’ny tany. Rehefa izay, mihodidina eo anoloan’ilay fary ny Olobe sy ny lohandohany, mpanatanteraka ny joro, ary manala satroka sy mivavaka.  
Na misy fahasamihafany aza ny fiteny isaky ny faritra, anisan’ny tsy namela antsika hisara-mianakavy ny fomba amam-panaontsika.


Landy R.