mercredi 6 août 2014

Etazonia: Hadinon’ny rainy tao anatin’ny fiara ny zanany vavy kely iray vao 10 volana

Tranga iray tsy dia fahita loatra no niseho tamin’ity raim-pianakaviana iray tany Kansas, Etazonia ity, ny 24 Jolay lasa teo.  Hadinony tao anatin’ny fiara ny zanany vavy kely izay vao 10 volana monja raha toa ka nandeha nijery horon-tsary “Game of Thrones”
niaraka tamin’ny namany izy. Noho ny fahitany zazakely nitomany tao anatin’ilay horonan-tsary no nahatsiahivany fa tavela any anaty fiara ilay zanany.

Tsy avotra intsony ny ain’ilay zazavavikely


Na dia teo aza ny fikoropahana sy ny famonjena natao an’ilay zaza dia tsy avotra intsony ny ainy nohon’ny hafanana be loatra tany an-toerana. Raha ny fantatra mantsy dia teo ho eo amin’ny 30ny mari-pana tao ivelany. Nanampy tsotraka ihany koa ny fihidian’ireo varavaran-kely rehetran’ilay fiara. Aiza ny fitiavan-dray amandreny manoloana ny trangan-javatra ohatran an’izao?