mercredi 20 août 2014

Georges ANDRIAMANTENA (Rado): Fitiavana

Be ny zavatra ato an-tsaiko
Ref'injay ahita anao
Satry foana re ry aiko
Ho tantaraina aminao

(...)Saingy indrisy re rahavako     
Fa voafatotra ny vavako     
Nahoana re no tsy voalazako?     
Feno angamba ny fitiavako     
Ka oroka mangina ihany     
Sisa nilazako izany! 

Mpanoratra: Rado 
Sokajy: Fitiavana, Tononkalo Malagasy.