dimanche 10 août 2014

Liverpool 4-0 Dortmund: Herinandro mialohan'ny Premier League


Resin'ny Liverpool, ekipa Anglisy efatra noho aotra (4-0) ny Borussia Dortmund, ekipa avy any Jermany, tamin'ny lalao firahalahiana (match amical),
herinandro mialohan'ny Ligue.
I Sturridge no nanokatra ny isa tamin'ny minitra faha 10', izay narahan'i Lovren tamin'ny minitra faha 13', ary io isa ihany koa no nisarahan'ekipa roa tonta tamin'ny fotoana fialan-tsasatra.
Mbola nahatafiditra baolina roa ihany koa ny ekipan'ny Liverpool tamin'ny fizaram-potoana faharoa, izay baolina tafiditr'i Philippe Coutinho, tamin'ny minitra faha 49', ary nofaranan'i Henderson ny minitra faha 61'.
Manana tombony noho izany ireto ekipa Liverpool ireto mialohan'hiatrehana ny Premier League, izay hanomboka ny herinandro ho avy izao.