dimanche 3 août 2014

Match Amical: Chelsea – Werder Brême (0-3) roa herinandro mialohan’ny Premier League



“Misotro rano” raha ny filazan’ny mpanao gazety vahiny azy, no nahazo an’Chelsea n’i Jose Mourinho androany
Alahady 02 Aogositra 2014. Resin’ny Weder Brême, ekipa avy any Alemainga t@isa mavesatra 3-0, roa herinandro mialohan’ny fanombohan’ny Premier League.
Na dia teo aza ny fanovana misesisesy nataon’ny mpanazatra ny Chelsea dia tsy nahitam-bokany izany ka dia io isa 3 noho 0 io no nisarahan’ekipa roa tonta. Dia iny lalao iny ihany koa izany no nampiato ny fandresena in-dimy misesy ho an’Chelsea.