samedi 9 août 2014

Mihevitra ny filoha teo Aloha fa azy i Amerika hoy ny filoha H. Rajaonarimampianina



Taorian’ny fampitandramena izay nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny fitondram-panjakana ny herinandro lasa teo,
dia tsy ela akory ny valin-kafatra avy tamin'ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimpianina.  Taorian’ny fahatongavany avy tany Amerika no nanambarany tamin'ny mpanao gazety fa“heverin'ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ho azy i Amerika”. Na dia teo aza izany dia nanamafy ny filoha teo aloha fa tsy hanohitra ny fitondrana ankehitriny mihitsy ny ankolafiny. Etsy andaniny, nanamafy kosa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa isan’ny mikatsaka izany fampihavam-pirenena izany ny tenany, saingy ny tombotsoan’ny vahoaka Malagasy 22 tapitritra aloha no lohalaharana fa tsy ny tombotsoan’olona iray na roa.