jeudi 16 avril 2015

Corrigé du sujet type 1: HISTOIRE - Baccalauréat série A-C-D

Sujets types et corrigés pour la préparation du Baccalauréat série A-C-D, MADAGASCAR.

CORRIGÉ DU SUJET TYPE 1: HISTOIRE

VERSION FRANCAIS:
La relation USA et URSS se sévit guère après l’effondrement de l’Allemagne et du Japon. En effet, à partir de 1945,
les deux grandes puissances vont départager le monde en volant mettre sous leur domination idéologique plusieurs pays. Ainsi, elles s’affrontent idéologiquement à partir de 1945 à 1953 d’une côté  et de l’autre les USA veulent empêcher par des moyens efficaces l’expansion communiste.


Ainsi, le monde est divisé en deux à partir de 1947 : le bloc capitaliste sous la domination USA et le bloc communiste sous l’auspice URSS. Chaque bloc veut propager son_idéologie et s’engage dans une lutte sans merci : La Guerre Froide. C’est une lutte idéologique entre les deux grands sans affrontement direct, ni lutte armée.  
En effet, l’origine  de cette guerre idéologique  vient du fait  de la rupture de 1947. Le pouvoir en place a évincé de son gouvernement des ministres socialistes et communistes en France et en Italie. C’est le coup d’envoi de cette guerre se manifestent d’abord en Europe.
D’abord, les URSS assument une expansion communiste de grande envergure à l’Est :
- ils aident les guérilléros communistes en Iran, en Grèce, en Turquie.
-ils prennent contrôle de certains pays de l’Est en multipliant le noyautage des administrations sous le contrôle de l’Armée Rouge. Les élections organisées dans ces pays tournent en faveur des communistes.
- en février 1948, le coup de force des communistes aboutit à la constitution du pouvoir pro-USA à Prague en Tchécoslovaquie.
D’autre part, d’autres affrontements se terminent par un compromis informel ou un traité de paix comme la création de la RFA et de la RDA en passant par le blocus de Berlin ou le partage de la Corée en deux.
Au total donc, 8 pays d’Europe sont bien dans le camp URSS : Tchécoslovaquie, Hongrie, Roumanie, Bulgarie, Yougoslavie, Albanie, Pologne, et RDA.
Cet affrontement idéologique se poursuit inlassablement en Asie. Ainsi, le départ des Japons a produit à la division de la Corée en deux au Nord du 38ème parallèle. De même, conflit entre nationalistes et communistes Chinois a vu le triomphe de Mao Zédoung qui proclame RPC en Octobre 1949. Il aligne sa politique sur celle de son grand frère URSS.


En effet, les communistes gagnent du terrain : de l’Europe de l’Est, en Asie. La GF est violante. Mais les USA vont freiner cette expansion communiste.

Pour limiter cette avancée incontestable des URSS, les USA organisent une riposte. Leur objectif est d’endiguer l’expansion du communiste par des moyens efficaces :                
-ils aident dorénavant les pays se défendant contre le communiste, des voulant être libres : Philippines, Iran, Grèce, Turquie…
- ils octroient des sommes importantes pour les aides humanitaires aux pays détruits par la guerre. Le RU et la France reçoivent, par exemple, respectivement 3,75 milliards de $ et 2 milliards de $. 
- ils proposent à tous les pays Européens une aide financière de grande envergure pour leur construction : Le plan Marshall avec 13 milliard de $. 
- ensuite, pour défendre les autres pays sur l’intervention brusque de l’URSS, les USA vont créer des alliances militaires : OTAN, après la crise de Berlin en 1948-1949 ; ANZUS, en 1951 ; OTASE, en 1954, et Pacte de Bagdad en 1955.
-enfin, la riposte USA passe enfin par l’utilisation de l’ONU tenant un grand rôle  lors de la guerre de Corée. En effet, les contingents internationaux sont des USA repous-sent avec les troupes du Sud celles du Nord. Cela aboutit au traité de Pam Munjon le 27 juillet 1953 et la division de la Corée en deux.
     
En conclusion, une vive tension se déroule entre l’Ouest et l’Est de 1945 à 1953. De même, face à l’expansion communiste URSS, les USA ont pratiqué le Contrainment. De ce fait, grâce à cette politique USA, on peut dire que, par le faible nombre de pays touchés, l’endiguement USA a vraiment du succès. Ais à partir de 1953, les deux grands vont de normaliser leur situation. Ils se rapprochent…  

VERSION MALAGASY:
Tsy naharitra ela ny fifandraisany misy teo amin’ny USA sy ny URSS taorian’ny fahapotehan’ny Alemana sy Japana. Araka izany, nanomboka ny taona 1945, dia niezaka ny ngeza roa tonta ny hanjakazaka ara-pirehan-kevitra teto amin’izao tontolo izao. Noho izany, nisy ny fifandonana ara-pirehan-kevitra nanomboka ny taona 1945-1953 andaniny ary ny ankilany ny fisakanan’ny USA ny fielezan’ny kominista amin’ny fomba tena mahomby.

Nanomboka ny taona 1947, dia nizara roa izao tontolo izao : ny andiantany kapitalista eo ambany fitarihan’ny USA ary ny andiantany kominista eo ambany ziogan’ny URSS. Samy te hanaparitaka ny firehan-keviny avy ny roa tonta ary tafiditra ao amin’ilay natao hoe: Ady Mangatsiaka. Ady tsy misy fifandonana mivantana na ady ara-tafika izy io. 
Araka izany àry, dia ireo fivakisana tamin’ny 1947 no niantomohan’ny AM. Nalain’ireo mpitondra tany Frantsa sy tany Italia tsy ho ao governemanta intsony ireo olon’ny antoko kominista sy sosialista. Manahy mantsy ny mpitondra ny hidiran’ny “revôlisiôna ” ao amin’ireo firenena ireo. Io fihetsika io no anisan’ny nampitranga ny AM tany Eoropa.
Andaniny, dia nanao fielezana ny kominista tany Eoropa Atsinanana:                                    
-nampian’izy ireo ireo mpiady anaty akata kominista tany Irana,Gresy, ary tany Torkia.
-latsaka teo ambany fanarahamason’ireo firenena sasany tao atsinanana ary dia nambitomboiny tamin’izany ny fangejana ny fitondrana ho eo ambany fanjakany tafika mena. Ireo fifidianana natao aza moa dia manjary nivadika ho tombotsoan’ny kominista.
-tamin’ny febroary 1948, dia naongan’ny kominista ny fitondra pro-USA tao Prague any Tsekôslôvakia.
Ankilany, dia nirava ihany ny fifandonana sasany tamin’ny alalan’ny marimaritra iraisaina natao tao RFA sy RDA rehefa avy nandalo tamin’ny fahirano any Berlin na ny fizaran’ny Korea ho roa.
Amin’ny ankapobeny àry dia miisa valo ireo firenena eo ambany fifehezan’ny URSS any Eoropa: Tsekôslôvakia, Hongria, Romania, Bolgaria, YOgôslavia, Albania, Pôlôna, RDA.
Tsy nijanona fotsiny tany Eoropa ilay AM fa nitohy tany Asia. Ny fialan’ny Japôney tany Korea dia nitarika ny fizaràn’io tany io ho roa teo amin’ny zana-pehitany faha-38. Toy izany koa tany Sina izay nahitana ny fandresen’I Mao Zédoung kominista ary ny nanangany ny RPC tamin’ny octobre 1949. Nilaza izy fa hanara-dia ny URSS.

Araka izany, dia nahazo vahana tanteraka ny kominista tany Eoropa Atsinanana ka hatrany Asia. Afy noho izany ny fandehanan’ny AM. Nefa teo ny USA namefy izany fielezan’ny kominista izany.

Mba hamefena ity firosoan’ny URSS ity dia nanohitra mafy araka izay vitany ny USA. Ny tanjony di any hamefena ny kominista amin’ny alalan’ny fitaovana mahomby: 
-Nampian’izy ireo ny firenena miaro ny tenany amin’ny kominista toa an-dry Filipinina, Iraka, Irana, Gresy,Torkia…
-Nomeny volabe ireo firenena potiky ny ady ho fanampiana azy ireo mba hividianany kojakoja ilain’ny vahoaka andavanandro: RU sy Frantsa, ohatra, dia nahazo  3.75 lavitrisa $ sy 2 lavitrisa $ tsirairay avy.
-Nanampy ireo firenena Eoropeanina amin’ny fananganana Eoropa vaovao amin’ny alalan’ny Drafitra Marshall (13 lavitrisa $).
-Manaraka izany, mba hiarovana ireo firenena ny amin’ny mety ho fitsofohana tampoka ataon’ny URSS dia natsangan’ny USA ny fiarahana ara-tafika: OTAN, taorian’ny krizin’i Berlin ny taona 1948-1949; ANZUS, ny taona 1951; OTASE, ny taona 1954 ary ny dinan’I Bagadad, tamin’ny taona 1955.
-Farany, dia nampiaran’ny USA ny FM mba hanakanany ny kominista. Ny tafika USA mantsy no tafika iraisam-pirenena nandeha tany Korea. Natosiky ny FM sy tafika Koreanina Tatsimo ny tafika Koreanina Tavaratra. Izany dia niafara tamin’ny fifanarahana tany Pam Munjon ny 27 jolay 1953 sy ny fizarana io firenena io ho roa.

Ho famaranana, dia nisy ny ady mahery vaika teo amin’ny Tandrefana sy Tsantsinanana ny taona 1945 ka hatramin’ny 1953. Toy izany koa, nanoloana ny fielezan’ny kominista URSS, dia nampiharin’ny USA ny famefena. Araka izany, noho io politika hentitra nataon’ny USA io, dia azo lazaina fa nahomby ny fefy USA na dia vitsy aza ireo firenena voakasika. Saingy nanomboka ny taona 1953, dia naira-niaon-doha ny ngeza roa tonta ka nifantona mba hikatraka ny fandriam-pahalemana.