dimanche 19 avril 2015

Ny maha olona sy ny literatiora - Famafakafan-kevitra

Sujets types et corrigés pour la préparation du Baccalauréat série A-C-D, MADAGASCAR.

LAZA ADINA MALAGASY: FAMAFAKAFAM-KEVITRA MOMBA NY MAHA OLONA SY NY LITERATIORA


Hoy ity mpandinika ity manao hoe: “Manampy ny tsirairay eo amin’ny fanefena ny maha olona azy ny literatiora.” Fakafakao.


FANDRAFETANA AZO AROSO
Tsy afa-misaraka amin’ny fiainam-piarahamonina ankapobeny tokoa raha ny literatiora. Fitaovana iray manampy ny olona izy hahafantatra ny tokony hataony andavanandro.
Mifandraika amin’izany indrindra ny tenin’ity mpandinika iray ity manao hoe: “Manampy ny tsirairay eo amin’ny fanefena ny maha olona azy ny literatiora.”  Midika izany fa ilaina ho fitaovam-panabeazana eo amin’ny fiarahamonina ny literatiora. Fa hatraiza tokoa moa anefa ny fetra maha fanabeazana azy? Hamakafakana izany dia hohamarinina eto fa tompon’antoka amin’ny famolavola ny fitondran-tenan’ny isam-batan’olona tokoa ny literatiora. Hoporofoina koa anefa fa mamotika ny fiainam-piarahamonina izy indraindray ka tsy maintsy itandreman’mpampiasa azy satria sabatra roa lela mety hanampy na hanimba ny tsirairay.
Miara-manaiky ny rehetra fa tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny olona iray tokoa ny fisian’ny asam-pamoronana ara-literatiora. Midika izany fa tsy azo hamaivanina ny literatiora satria manampy ny tsirairay eo amin’ny firafetan’ny maha olona azy. Mazava ho azy fa ny literatiora dia tompon’antokaamin’ny famolavolana ara-pitondran-tena eo amin’ny fiarahamonina . Ny fanomezan-kasina izay voarakitry ny asa soratra dia heverina fa manampy ny olona hahay miara-miaina amin’ny rehetra noho ny fitoboam-pahaizana eo aminy. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, ny literatiora dia mapivelatre ny saina hahay manitsy ny tsy mety eo amin’ny andavanandrom-piainana. Avy amin’izany indrindra no nahatonga an’I Rado hilaza hoe: “ny literatiora dia fanitsina dia hahavelona”.
Mifandray amin’izany indrindra dia hamafisana fa mamolavola toetra ny mpanoratra amin’ny alalàn’ny asa vokariny. Apetrany mazava fa ny literatiora dia fitaovana iray ahafahan’ny rehetra mifanoro hevitra: izany hoe, avy amin’ny alalàn’ireny no ifampizarana ireo hevitra mety hahasoa miatrika fiainana. Midika izany fa ny haisoratra dia sehatra iray ahafahan’ny mpifanerasera mifanoro ny fitsipika ifampitondrana eo anivon’ny fiarahamonina mba tsy hahameloka ny miaina. Miombon-kevitra amin’izany I R.H.A. Nary ka milaza fa: “ny literatiora dia ilay mpiresaka ny marina”; izany hoe, izay mifanaraka amin’ny tokony ho izy eo amin’ny fiainam-piarahamonina no raketiny.
Eo anatrehan’izany dia manefy ny maha olona tokoa ny literatiora iray. Manitsy ny toe-tsaina hahay manaja ny mpiara-belona izy nefa fitaovana  ahafahana mandranitra izay mampiasa azy koa hahatsiaro tena amin’ny fiatrehany ny fiainana. Azo lazaina avy amin’izany fa ny hafatra fanabeazan’ny soratra koa dia manentana ny tsirairay eo amin’ny sehatry ny fihariany, miezaka hahavelon-tena nefa mitsimbina koa ny mpiara-miaina aminy. Io no heverina fa nahatonga an-dRavelojaona hilaza hoe: “ny literatiora dia mpitari-dàlana sy mpanafana fo”.
Fa na eo aza ireo andraikitra samihafa tanan’ny literatiora ireo dia tsy hadino fa fototry ny fialam-boly ho an’ny olona koa ny literatiora iray. Midika izany fa avy aminy no singa ipoiran’ny fahafinaretana manoloana an’izay mety ho adin-tsaina na tsy fahalavorariana ara-piainana misy. Midika ihany koa izany fa fitaovana ahafaha-mitahiry ny maha olona tokoa ny literatiora, mitaiza ho tia ny <<tsara>> miatrika fiainana, araka ny lazain’i ILAY hoe: “ny mpanoratra dia mikatraka ny tonga lafatra mandrakariva”.

Raha fehezina dia azo apetraka ho sakaiza be fitiavana manampy ny olona eo amin’ny fiainany tokoa ny literatiora. Fa mety hamotika ny fiainam-piarahamonina koa anefa ny fisiany.

Fantatra tokoa mantsy fa mety ho sakaiza manody ny fanabeazana omeny asa-soratra ireny indraindray, manimba ny fiainam-piarahamonina sady mety ho poizina mamotika ny efa tsara eo amin’ny olona. Aminy lafiny ilany dia tsy vitsy ny asa-soratra no manome fahalalana diso eo amin’ny fiainana saingy raisina ho marina satria hita taminy boky. Io no nampitandreman’i Joseph RABETAFIKA ka nilazany fa “ny soratra dia fitaovana andraisana fahaizana tsy mifandraika aminy izy” (Mpanolo-tsaina, n°35, jolay 1912).
Avy amin’izany indrindra no heverina fa miteraka fokorontanana eo amin’ny fiarahamonina, isiany tsy fitovian-kevitra ka mety hitarika fihoaram-pefy eo amin’ny fihetsika na ny toetra aseho. Mitaiza ny olona amin’ny fihetsehan-tsaina ny literatiora nefa tsy maintsy mailo kosa mba tsy hahapotika ny tena maha izy ny tsirairay. Mampitandrina ny mpanoratra amin’izany indrindra i E.D ANDRIAMALALA ka milaza hoe “Efa mba voadinikao mpanoratra ve ny sakafon-tsaina atolotra ny Malagasy”.
Vokatr’io mety ho fahapotehana io indrindra dia takiana amin’ny olona miatrika asam-pamoronana iray ny tsy maintsy ifehezany ny fihetseham-pony miatrika literatiora. Ilaina ny mandinika tsara tsy ho taitaitra amin’ny toe-javatra tsy mitombina akory. Raha tsarina, ny literatiora dia mety ho fitaovana mamery hasina tanteraka ny maha olona ka tsy maintsy fantarina tsara izay raketiny, “aoka tsy hanao gok’omby fotsiny izay voalazan’ny asa-soratra” hoy ny mpandinika iray.
Ankoatr’ireo voka-dratsy azo avy amin’ny literatiora ireo anefa dia resy lahatra koa ny rehetra fa mamotika safidy misy eo amin’ny tsirairay ny literatiora. Tsy vitsy ny mpamaky no mirona anjambany amin’ny voalazany soratra ka mamily ny filan-kevitra mifanaraka amin’ny soatoavina tokony ho tadidiana. Manimba ny maha izy ny tena io ary tena mamotika koa ny hasim-piarahamonina aza, mifanohitra aminy hafatra fanabeazana andrasana amin’ny tena literatiora kanto sy mpanabe ny olona. Io no nahatonga an-dRanÖe hilaza hoe: “ny tsy fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny mpanoratra dia mety hamorika ny sain’ny fiarahamonina”.

Azo apetraka mazava fa tsy azo antoka, tsy azo ianteherana hatrany ny voalazan’ny asa-soratra indraindray. Sabatra roa lela ho an’izay mampiasa azy izy ka ilam-pitandremana.

Manoloana ireo toetra roa tanan’ny literatiora ireo dia misy lafy tsara sy ratsy tokoa ny voarakitsy ny haisoratra ka ilana fahamalinana. Ilaina ny literatiora, mahasoa ny fandraisana azy raha manefy ara-toetra ny olona tokoa. Noho izany dia takiana amin’ny fiatrehana azy ny fananana saina mahay mandanjalanja izay antonony ny tena. Manamarina izany indrindra i Jean Paul SARTRE ka nilaza hoe: “Tsy maintsy izay tadiavin’ny mpamaky no hosoratan’ny mpanoratra ka mameno ny banga na izay tsy feno eo aminy” (qu’est-ce que la littérature?)
Raha tsy hay tokoa ny manavaka ireo dia tena mamotika ny maha olona ny literatiora. Manova ny toe-tsaina, mandratsy ny toetra efa tsara teo aloha vokatry ny tsy fanaovana sivana ny voalazan’ny mpanoratra. Raha toy izany no miseho dia ho azo antoka fa tsy hanefy ny maha olona tokoa ny literatiora iray. Mampitandrina ny amin’izany indrindra Randza Zanamihoatra amin’ny filazany fa “ampy hampiova zavatra betsaka ny tsy fahaiza-mamaky aza-soratra”.

Ho faranana àry ny famakafakana ity tenina mpandinika iray ity, petra-kevitra nanehoana ny fiasan’ny literatiora eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Nasongadina teto fa manefy ny maha olona tokoa ny literatiora eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Nasongadina teto fa manefy ny maha olona tokoa ny literatiora eo amin’ny endri-pifandraisan’ny samy mpiara-belona. Fitaovam-pialam-boly izy fa manabe ny tsirairay ara-tsaina koa hahay manatsara ny fe-piainany ankapobeny. Nivohitra teto anefa fa mamotika ny mety efa tsara eo amin’ny olona izy raha atao jery maika. Miteraka fikorontanana sy tsy fananana safidy raikitra amin’izay heverina ho tsara. Manoloana ireo hevitra roa mifanohitra ireo dia takiana amin’ny fiatrehana asa-soratra iray tokoa ny fiasan’ny fanahy maha olona mba hahaizany manavaka izay tena mahasoa azy eo amin’ny fiainany.
Heverina fa mbola azo apetraka ho vahaolana manoloana ny fanatontoloana misy ankehitriny izany, mba asa-soratra manabe ny mandray azy tokoa no hahazo vahana ka tsy hahavery ny hasina maha Malagasy.

Tag: Fandaharam-pianarana, kilasy famaranana, Madagasikara.