dimanche 19 avril 2015

Valiny laza adina faha 5 Malagasy: Famafakafan-kevitra

Sujets types et corrigés pour la préparation du Baccalauréat série A-C-D, MADAGASCAR.

VALINY LAZA ADINA FAHA 5 MALAGASY: FAMAFAKAFAM-KEVITRA


FANDRAFETANA AZO AROSO
      Fatra-padinika ny manodidina azy ny Ntaolo ka avy amin’ireny no nankany lesona teo amin’ny fianany ary nahaizany nintondra tena teo anivon’ny fiaraha-monina. Anisany mpampifandray ny olona ny fisian’ny fihavanana eo amin’ny Malagasy.
Mila kolokoloina sy tandremana tsara tsy ho maivan-danja anefa izany fihavanana izany ka hoy ny Ohabolan-drazana: “Ny fihavanana aza atao misomidika ambony toa menaka,fa ataovy latsaka anaty toa tsoka”. Mba hahazoana manakatra ny fahendren’ny Malagasy, dia hodinihina ambany ny antony mampihavana ny samy olombelona; ny endrika isehoany; ary ny maha-zava-dehibe azy eo amin’ny fiainana.

      Ndeha aloha andramana faritana ny antsoina hoe fihavanana. Ny fifamatoran’ny olona manana razana iombonana na miara-monina amin’ny toerana iray no atao hoe fihavanana. Mafy ny fifamatorana amin’izany, mifandray akaiky ny mpiray tanàna na faritra, hany ka tsy voatery ho mpihavana, na akaiky na lavitra ihany no anjakan’ny fihavanana fa izay mifampitondra toy izany.
      Antony maro no mahatonga ny samy velona hifandray sy hanaiky hihavana. Singanina ihany eto ny antony telo. Voalohany, mahatsiaro te hifanantona sy hifandray ny olona vitsivitsy na maromaro satria iray fasana, iray tanindrazana, iray razambe. Nateraky ny ray aman-dreny niraisana na ny fanambadiana ny fihavanana eto, ka nahatonga ny Ntaolo hoe: “Velona iray trano, maty iray fasana” rehefa tena miray fo sy saina ny olona, na tsy miara mitoetra aza.
      Faharoa manaraka izany dia mihavana koa ny samy olona rehefa mahatsapa fa tsy mahavita tena izay miolonolona ary ny mifandray, mifampitondra toy ny mpiray tam-po no mety mba handresena ireo zava-tsarotra sy sankatsakana eo amin’ny fiainana. Toa lalàna voajanahary ny fifandraisana satria noharin’Andriamanitra hiara-monina ny samy olona na dia ao anatin’ny ny faha samihafana aza. Izany no mahavaky volana antsika Malagasy hoe: “Tondro tokana tsy mahazo hao” ka aleo tsy misaraka.

      Fahatelo farany, ny fihavanana misy dia noho ny fitadiavan’ny tsirairay tombontsoa eto amin’izao fiainana izao. Mifanohantoha tsy ho lavo eo ny olona satria samy matahotra ny ho irery ka hatopatopan’ny fiainana samirery any ary ho resiny hafa eo.Dia manamafy ny fifandraisany olona, mametraka fitsipika ifampifehezana mba hanamafy ilay fihavanana ary dia manamarina izany fitenin-drazantsika mana hoe: “Trano atsimo sy avaratra, ka izay tsy mahalen-kialofana”. Izany hoe, antoky ny fifampitsimbinana ny fihavanana.
      Maro àry izany ireo antony mampifandray sy mampihavana ny samy olona. Ny fifandraisana eo ihany, fa ny tena zava-dehibe dia ny hanamafisana hatrany ny fifamatorana amin’ny alalan’ny fihavanana. Ka toy inona àry ny endrika itiavantsika Malagasy isehoan’io fihavanana io?       
      “Ny fihavanana aza atao misomidika ambony toa menaka,fa ataovy latsaka anaty toa tsoka”, hoy ny Ntaolo. Ahoana izany? Ara-bakiteny, ny menaka dia mitsikafona, misy masony boribory eo ambony rehefa ampiarahana aminy rony na rano. Aiva izy ka miharihary ery ambony ery. Dia milaza ary ny fahendrena Malagasy fa tsy hamaivanina ny fihavanana, na avela hihevaheva eo amin’ny fifandraisana samy olona fa manjary manimba zavatra betsaka. Ary raha sanatria tapaka ny fifandraisana dia sarotra hatohy indray, raha hatohy aza. Ka aleo ary misoroka toy izay hitsabo.
      Ny mahamety ny fihavana dia atao toy ny tsoka latsaka anaty. Ny tsoka moa dia ilay menaka matavy mitsiranorano anaty taolana ka tsy misaraka amin’ny toerana misy azy raha tsy vakina ilay taolana. Rehefa mandinika ny Ntaolo, dia ity fanoharana ny fihavanana aminy tsoka anaty taolana ity no iriny ho toetrin’ny fihavanana: izany hoe misy tsirony, mafy orina ao anaty ka sarotra simbaina, omena lanjany mihitsy eo aminy sany olona ary ho kolokoloina foana hateza sy haharitra.
      Fomba maro no azo itandrovana io fihavanana io ary teo amin’ny fiainana andavan’andro, na amin’ny zavatra madinika indrindra aza no nanamafisany Malagasy io fifamatorana io. Nataony lalim-paka toy ny tsoka ny fihavanana  fifankatiavana, ny fihavanana fifanampiana, ary ny fihavanana fifampitsimbinana. Ny fitaizana sy ny fanabeazana nataony, araka izay tratrany dia niompana tamin’ireo lafin-javatra telo ireo. Koa hita teto amintsika ny valin-tanana, indrindra amin’ny asa fambolena, ny “asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana”, ny fifanotronana sy fifamangina, indrindra raha misy ny marary na maty. Ary hatramin’izao aza dia mbola misy ireo rehetra ireo ho marikin’ny firaisan-kina amin-javatra rehetra.
      Raha mbola Malagasy koa izany dia tsy maintsy miezaka tokoa hitandro ny fihavanana eo amin’ny fifandraisana samy olombelona ary ny tena kendrena amin’izany moa di any hahasoa ny fiainan’ny tsirairay. Hamaranana ny fanadihadiana dia ho tsoahintsika eto ny maha-zava-dehibe ny fihavanana eo amin’ny fiarahamonina.
      Miankina aminy lanja omentsika ny fihavanana no mampirindra na tsia ny fifandraisana eo amin’ny samy olona. Ohatra, rah any vola no mampihavana, dia tsy haharitra izany rehefa ritra ny vola dia tsy raharahina intsony ny hafa. Izay ilay voalaza eto hoe: “misomidika ambony toa menaka”. Fitiava eo imolotra ihany izany fa tsy vokatry ny fo, “Havana raha misy patsa, ka raha lany ny patsa havan-tetezina”.
      Mety hitranga ihany koa ny mifanohitra amin’izay: mirindra ny fifandraisan’ny mpiara-monina satria tena fifankatiavan’ny mpirahalahy no mampifamatotra; ka na tsy misy aza ny vola, fa fitadiavan- tombotsoa hafa dia mateza ny fihavanana. Toy izany ny endriky ny fihavanana mampifandray an’i Tsiry sy Menja ary Izaho(ny mpitantara) ao amin’ilay tantara noforonin’i I.P.ANDRIAMANGATIANA hoe Vakivakim-piainana. Koa ambonin’ny zava-drehetra izany ny fihavanana, ary tsy ijerena tavan’olona na antony hafa.
      Zava-dehibe koa ny fihavanana satria raha tsy misy azy dia samy manao izay tiany ny olona ka tsy mifanaja. Ary rehefa tsy mifanaja dia voahitrakitraka ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny eo amin’ny fiarahamonina. Mahazo laka ny fitadiavam-bola amin’izay fotoana izay.  Toy izany koa ny fitiavan-tena, ka manao sarotra ery ny famerenana amin’ny laoniny ny lamina raha tsy samy miezaka hamitrana ny fihavanana ny tsirairay, na dia hoy aza i E.D.ANDRIAMALALA hoe “Ny mahasarotra ny fampijoroana ny rariny eto ambonin’ny tany, dia noho ny tsy fetezan’ny antokon’olona sasany hipetraka eo amin’ny toeranan’ny hafa”. Raha izany, dia mampiezaka hanaja ny marina sy ny rariny ny fihavanana lalimpaka.
         Fototry ny fijoroan’ny fiarahamonina anjakan’ny fahamendrehan-toetra izany ny fihavanana ka tsy azo odian-tsy hit any maha-zava-dehibe azy. Na dia eo azan y fisarantsarahana sy ny fanomezan-danja tafahoatra ny vola dia mbola azo deraina isika Malagasy fa tsy manamaivana ny fihavanana fa vao maika aza mitady azy fatratra. Ary izany indrindra no ilana fitandremana ka na hanafaran’ny Ntaolo hoe: “Ny fihavanana aza atao misomidika ambony toa menaka,fa ataovy latsaka anaty toa tsoka”.