vendredi 17 avril 2015

Valiny laza adina Malagasy: Fanadihadiana lahatsoratra

Sujets types et corrigés pour la préparation du Baccalauréat série A-C-D, MADAGASCAR.

VALINY LAZA ADINA MALAGASY: FANADIHADIANA LAHATSORATRA

Teny fampidirana
      Ny firenena tsirairay dia samy manana ny hasin-javatra omeny lanja sy anankinany ny fiainany avokoa.
Tsy afa miala amin’izany koa ny fiarahamonina Malagasy izay nanankina ny fahavelomany tamin’ireo kolon-tsaina sy fomba-piheverana manavaka azy tamin’ny hafa. Inty  àry misy lahatsoratra iray, nosoratan’I E.D Andriamalala, notsoahina tao amin’NY FANAGASINA, takila 46-48, sombin-dahatsoratra anehoany indrindra ny toe-tsaina tokony hananana mba ho fampivoarana ny firenena. Hoentina manadihady ny lahatsoratra dia haseho eto fa takiana ny toe-tsaina mandala hatrany ny hasina maha Malagasy. Ny tapany faharoa kosa no hanehoana fa ilaina ny toe-tsaina manaiky fandrosoana mb hivoaran’ny fiarahamonina.


    Na ny fanjanahantany na ny fidiran’ny kolon-tsaina vahiny teto Madagasikara dia samy namotika tsikelikely tao am-pon’ny Malagasy ny  fanomezan-kasina ny fisainana nentim-paharazana. Izany no nanosika ny ankamaroan’ny mpanoratra hanentana ny fiarahamonina amin’nytokony hitadiavana ny very. Tsy tokony hailika ny maha Malagasy , tokony homena hasina hatrany ireo fomba fisainana sy finoana namiavaka ny Ntaolo . Ny tsy fanomezana lanja izany no tsy mampirindra ny fiarahamonina, tsy voahaja intsony ireo fepetra takian’ny fahaiza-miaina eo anivon’ny mpiara-belona na koa ireo kolon-tsaina mitaiza ny tsirairay ara-pitondran-tena. Izany indrindra no ametrahan’ny mpanoratra ahiahy amin’ny hoe:”nankaiza ny fifanajana sy ny fihavanana?”…ny tahotra ny tsiny sy ny tody?” niharava tsikelikely ny fifampitokisana teo amin’ny rehetra, nihavery hasina ny maha olona vokatry ny fakan-tahaka ny toe-tsaina avy any ivelany. Izay toe-tsaina izay no nanefy no nanefy ny fiarahamonina Malagasy hanambony tena, mihevi-tena ho mandroso ka tsy manoùe hasina intsony ny endri-pifandraisana nampiavaka antsika tamin’ny hafa. Hamafisin’I E.D.A io ka soritiny amin’ny hoe: “efa zafindraony”, tsy mampaninona antsika ny mamingavinga olona”.
      Raha tarafina avy amin’ireo dia tafalentika tao an-tsain’ny Malagasy fa mila miova ny fomba fisainana, mila maharaka ny fandrosoana eran-tany ny fombam-piheverana. Noraisina ho tsy faharahana ny toetr’andro na ny fivoarana misy ny fifikirana amin’ny loharano nipoirany, izay nohajaina sy napetraka ho ambony teo amin’ny fiarahamonina . Nihavery hasina hatramin’ny Ray aman-dReny vokatry ny kolon-tsaina vahiny. Io no nilaza tao amin’ny lahatsoratra hoe: “ny nahitana masoandro aza tsy enin-kaja, tsy enim-boninahitra”.
      Ireny toe-javatra ireny, ireo fiovam-pitondran-tena teo amin’ny Malagasy ireo no nandresy lahatra ny mpanoratra fa mila averina amin’ny laoniny ny hasina maha Malagasy. Takian’ny fiatrehana ny fiainana ny famerenana amin’ny toerany ny hasin’ny fanahy maha olona izay fitaovana iray mandrafitra ny fiarovan-tena eo amin’ny tsirairay, arofanina mamefy ny fitondran-tenany ho amin’ny tsara hatrany.
      Izany toe-tsaina izany no nibaiko azy hitady ny very, ho filaminan’ny fiarahamonina sy hanjakan’ny fihavanana lavitry ny herisetra. Io no nahatonga azy hilaza fa: “arofanina avokoa ireny mba tsy hianjerana amin’ny fanjakan’I Baroa”
Nisongadina tamin’iny tapany voalohany iny ilaina ny mamerina amin’ny toerany ny hasina maha Malagasy mba ho arofanina amin’ny ratsy. Hojerena manaraka eto kosa ny tsy maintsy hananana toe-tsaina manaiky fandrosoana ho fivoaram-piainana.
Isan’ny fototra nanentanan’ny mpanoratra teo amin’ny fitadiavana ny very ny fiezahana mamerina amin’ny maha Malagasy. Heverina koa fa antony iray amin’ny nanoratan’ I E.D.A ny Fanagasiana izany. Tsara ary ilaina ny fandrosoana ho fivoaran’ny fiarahamonina, tsara koa ny manaraka ny zava-misy any amin’ny tany masoandro saigy azo atao tsar any mandray mandray ireny ka mampivady azy amin’ny fanandratana ho avo ny maha izy ny tena. Ny fandraisana ny fandrosoana avy any ivelany tsy miditra akory ho fandraharahana an-tany ny kolon-tsain’ny tena izay fototra iorenan’ny Malagasy ho olom-banona. Izany no nahatonga ny mpanoratra hilaza hoe: “Heverin’ny saintsika efa zafindraony fa mari-pandrosoana ny misaringotra amin’ireny”; toa  nahamenatra ny maha Malagasy tamin’izany.
      Ho an’ity mpanoratra ity dia fiezahan’ny olona hametraka ny maha izy azy, ny fiezahan’ny tsirairay mamantatra ny tokony hataony na ny fahaizana mandanjalanja izay mahasoa azy no hitarika azy ho amin’ny fandrosoana. Midika izany fa ny manampanahy dia afaka mampandroso ny fiainany amin’ny alalan’ny fiezahana hananana fitondran-tena mendrika ny maha olona azy. Takian’ny maha olon-kendry ny hananana fahalalana sy hiavaka amin’ny zava-boahary hafa, araka naroson’ny mpanoratra hoe: “ny fandrosoana dia fiezahana hitarika amin’ny maha biby” , fiezahana ho marin-toetra sy mahafantatra ny tokony hatao.
      Eo anatrehan’izany dia fototra iavahan’ny fiarahamonina iray ary irosoany amin’ny maha izy azy naiorenan’ny fahombiazam-piainany ny fananana fitsipika ifampitondrany. Niorenan’ny kolon-tsaina Malagasy io ary isan’ny mandrafitra ny lalàm-piarahamonina nifampitondran’ny rehetra. Ny fanajana ireny no heverina koa fa nahombiazan’ny karazam-panabeazana nifampitaizan’ny olombelona. Heverina fa izay toe-tsaina izay no nahatonga an’I E.D.A  hampitaha ny lalàn’ny tsiny sy tody tamin’ny lalàm-pitondran-tena napetrakiny ny finoana kristiana: “ny didy folo hoan’ny jiosy ary ny tsiny sy tody hoan’ny malagasy” ; samy nanana ny lalàm-piarahamonina nandrafitra ny fitondran-tenan’ny olona ny firenena.
      Miainga avy amin’izany dia resy lahatra ny saina fa tsy hisy tokoa fivoaram-piainana azo antoka ho an’ny fiarahamonina iray raha tsy tan-dalàna, fitaovana manefy ny olona hahay miroso amin’ny tena fandrosoana marina takian’ny  maha liam-pivoarana azy eo amin’ny fiainana. Manamafy izany I E.D.A ao amin’ ny lahatsorany ka milza hoe: “tsy misy firenana afaka hivelona (handroso) tsy mana-javatra hajaina sy atahorana.” Takian’ny fivoarana maha olombelona ny hiasan’ny fanahy-tahotra eo amin’ny tsirairay , io no fototry ny fandrosoany sy ny manodidina azy.


Teny famaranana
      Hofaranana àry ny fanadihadiana ity lahatsoratra nosoratan’I E.D.Andriamalala ity, lahatsoratra nampisongadina indrindra ny toe-tsaina takian’ny fandrosoana hananan’ny olona liana sy te-hiroso amin’ny fivoaram-piainany. Naseho teto fa tsy tokony hailika ny maha Malagasy mba hisian’ny fahaiza-miaina sy hanajana ny endrim-pifandraisan’ny mpiara-belona. Tokony ary ilaina ny fanomezan-danja ny maha olona fototry ny hasina apetraka amin’ireo loharano nipoirana. Notrandrahina teto koa anefa ny liana ny fandrosoana mba hametrahana amin’ny toerany ny maha izy ny tena, hiavahana amin’ny zava-boahary hafa.lalàna ahatanteraka izany ny fanajana ny lalàna ifampifehezana eo amin’ny fiarahamonina, mba hisondrotan’ny fiainana maha olombelona.
Tsara ny “mandroso” fa ny firosoana amin’izany koa anefa dia kendrena mba tsy hahavery hasina ny maha izy ny tena, indindra manoloana ny fihazakazaky ny fandrosoana misy ankehitriny azao.