jeudi 14 mai 2015

Ohabolana sy oha-pitenenana mikasika ny Tody

“Mandrora mitsilany ka mahavoa ny tenany”.
“Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa valin-kitsaka”.
“Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina”.
“Ny soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza mihatona”.
“Aza manenjika ny osa fa mbola henjehin’ny mahery”.
“Ny homehy lava aza misy todiana maika fa ny mitsambiky mikipy”.
“Todin’ny ambara tsy nentina ka mivingin-kazo tsy fantatra”.
“Raha todi-paty aza manody fa raha todi-pitia manodiàva”.
“Lalina ny rano azo lakanina, lalina ny hady azo toharana; maizina ny andro azo tsilovina, fa ny ratsy atao tsy misy fanafody”.
“Alana tsy afa-kamory, alam-paditra tsy tsinin-drazana azo ivalozana fa ny tondin’ny natao tsy misy fangoloka”.
“Ny atao toy ny salaka, soa atao mihodidina, ratsy atao mihodina”.
“Ny tsiny fanilika ny vava fa ny tody tsy misy fanafany”.
“Izay mamafy rivotra hijinja tadio”.


Hoy I Fety Michel in (Fanabeazana sy Fiainam-pirenena, tak 19):
“Zava- dehibe amin’ny Malagasy ny fisian’ny atao hoe tody (….) fa araka ny finoana dia valin’ny natao io tody io izany hoe na inona na inona ataon’ny olona na tsara izany na ratsy ,dia tsy maintsy miverina aminy ihany ny valin’ny nataony”
“Na tsy ny tenany aza no handray ny valiny dia mbola ao ny tarany hijinja azy”
“Ny taho-tody no isan’ny miaro ny Malagasy teo aloha tsy hanao ratsy olona loatra.”
“Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy mitera-boka-dratsy eo amin’ny fiainana n ratsy atao”
“Nofoanan’ny fanabeazana Frantsay tao an-tsain’ny Malagasy izany taho-tody satria lazainy fa finoam-poana mpahazony olona tsy nahita fianarana io”
“Ary dia izany taho-tody izany no isany miaro ny Malagasy teo aloha tsy hanao ratsy olona loatra fa notandremany fatratra kosa izay natao”
“Ny tody tsy misy hoy izy fa ny atao no miverina ka na dia tsy tena ny aza miverina handray ny valiny dia ao ny taranany hijinja azy”
“Tsy finoanoam-poana velively akory ny fisian’ny todin’aina fa tena misy tokoa”
“Tsy maintsy tonga ny valin’ny natao na ho elana ho haingana”.
Reverand père RAHAJARIZAFY in (Filozofia Malagasy):
“Ny eritreritra oi ihany no efa mamaly anao ,ao anatinao ,melohiny tsy ampandriany mandry raha mania ny ratsy ary derainy sy omeny toky raha minia amin’ny tsara”
“Tsy maintsy manasoa marina izay tsara fanahy nyn ataony ary tsy maintsy mahavoa marina izay ratsy fanahy koa ny nataony”
“Ny nataonao tamin’ny hafa tsy maintsy hitody aminao”
“Ny tsiny mbola azo sorohina fa ny tody tsy misy fanefitra”
“Indreto misy valim-pitondran-tena tsy azo foanana dia ny tsiny sy ny tody”.
FETY Michel: “Io Andriamanitra mahita ny ataon’ny olona io dia tena mamaly ny olona arakany asany avy. Izany hoe, ioAndriamanitra io no tena mamerina amin’ny olona ny todin’ny nataony, na tsara izany na ratsy”.
Emilson Daniel ANDRIAMALALA:
- Rehefa hadihadiana ny loharano nipoiran’ny harem-be rehetra dia tsy maintsy loto sy fotaka no miboiboika ao (in ilay vohitry ny nofy)
- “Manana mpitsara tsy mety diso amin’izay ataoko aho dia Andriamanitra, sny tsiny sy ny tody (in fanagasiana)
- Fa ny fianarana mantsy dia nitarika ny sain-tsika tsy hino intsony ny zavatra tsy azo hamarinina ka ny tsiny sy ny tody izay tsy azo porofoina dia apetrakan’ny sain-tsika hiray toerana amin”ny finoanoam-poana”
- “Hevirin-tsika ho marim-pandrosoana ny tsy finoana intsony ny tsiny sy ny tody”
- Efa matimaty ao anatin-tsika Malagasy indrindra ny mponina an-tanan-dehibe ny finoana ny tsiny sy ny tody ka nefa ny an’ny hafa nenti-namono azy tsy latsaka anaty”
- Ny tsiny sy ny tody dia aro fanina mba tsy hianjerana any amin’ny fanjakan’ny baroa”
- Na tsy misy aza ny tsiny sy ny tody dia tsy maintsy ho foronina satria tsy misy firenena afaka hivelona ampilaminana tsy manan-javatra hajaina sy hatahorana”.
Adolf RAZAFITSALAMA (Boky ny Finoana sy ny Fombany):
- Tsy ho raraka an-tany akory ny soa atao ary tsy ho afa-maina ny mpanao ratsy fatsy maintsy ho tody ny ataony ihany”.
- Ny tody na valin’asa dia mety hampiharin’ny izay nasian-dratsy ihany koa”
- Iray ihany ny valin’asa avy amin’ny tody any ny valin’asa avy amin’Andriamanitra”
- Tsy mila finiavana avy amn’ny olombelona ny fampiharana azy”
- Ny avy amin’ny fiaraha-monina na dia azo porofoina mivantana ny fiaviany (….) ny avy amin’Andriamanitra (…..) dia tsy azo porofoina mivantana ny fiaviany
Paul RAKOTO (Boky Tsy Leondrano, tak 14):
“Ny tody dia sandan-keloka , araka ny finoan’ny Malagasy , ny heloka , ny fotoana dia misy sandany ao amin’ny fiainan’ny olombelona any tody ny fandehanana amin’ny lalana mihitsy amin’ny fanaovana ny marina no hitodian’ny valiny tsara eo amin’ny  fiainana”.
Joseph RAKOTONIRAINY: “Samy misy todiny avokoa izay ataon’ny rehetra”.
Paul RAMASINDRAIBE (Fokon’olona fototry ny firenena):
“Ny valin’ny fotoana tsy iandrasan-tsika hivahany ny tody”
“Indraindray efa taranaka mihoatry ny roa aman-telo no lasa vaomitranga ny tody”
“Tsy rotitra akory ny Malagasy Asian-dratsy… fantany fa tsy maintsy hitody izany”.
RANDRIANJATOMANANA Olivier, in (Singakevitry ny Mpandinika):
“Fositra iray tsy mampandroso ny firenena ny fatahorana ny tsiny sy ny tody”
“Manome vahana ny mpanao ny ratsy ny fiandrasana ny tody mbola ho ela ka nefa tsy tsara ny mamaly ratsy ny ratsy”.
RATREMA William, (Riba sy Lohahevitra):
“Mety hisakana ny olona tsy hihoatra (ny) amin’ny tsindry hazo lena mianjady aminy ny fiandrasana ny tody”
“Misakana ny olona tsy handray andraikitra mazàna ny taho-tody ,ny vokatr’izay dia mazàna ny olona mpitady tombontsoa manokana no misolatsolana amin’izany”.

RAMANGAMALEFAKA, (Gazety Basy vava lah 81-82, 1908): “Ny ratsy atao ho loza mihatona”.