dimanche 12 juillet 2015

Madagascar vs Russia [2 - 4] - World Cup Beach Soccer

Niondrika tamin'isa 2 - 4 nanoloana an'i Rosia tompon-daka maneran-tany ny Beach Soccer (2011, 2013) ny Barea de Madagascar androany folak'andro (14h 30), ora any an-toerana.
Tsiahivana moa fa any, Praia da Baía, Espinho, Portugal no anantanterahana an'izao fifaninana maneran-tany ny Beach Soccer, taona 2015 izao, izay nanomboka ny 09 Jolay lasa teo, ary hifarana ny 19 Jolay ho avy izao.
Kely ny herijika hiakarana any amin'ny ampahavalon-dalana raha ho an'i Barea de

Madagascar, satria efa niondrika tamin'isa 3 - 4 nanoloana an-dry zareo Tahiti ny Zoma lasa teo.
Lalao iray izany sisa no atrehan'ny Barea de Madagascar, ny talata faha 14 ny volana Jolay ho avy izao, izay hifandonany amin'ny Paraguay.
Raha ny filaharana vonjy maika dia mitarika ry zareo Rosianina ao amin'ny Vondrona D, izay misy an'i Madagascar. Toy izao manaraka izao ny filaharan'ny Vondrona D:


GROUPE D

EQUIPES
MJ
MG
MP
+/-
Pts
RUSSIA
2
2
0
4
6
TAHITI
1
1
0
1
3
PARAGUAY
1
0
1
-2
0
MADAGASCAR
2
0
2
-3
0