samedi 15 août 2015

Kibo miroraka | inona no tokony hatao?

Hetsika famerenana ny kibo miroraka amin'ny laoniny:
Ny fen'antitra no mihena ho azy tsy mila ezaka fa raha mbola mahatsapa ho tanora ny tena dia tsy misy fanafodiny. Ilaina ny mihazakazaka raha te hampihena vatana.  Tsy voatery handrera-tena anefa fa azo atao ny mandanjalanja izany.

Izao ary ny hetsika tokony hatao:
1. Miezaka mandeha an-tongotra 1/2 ora isan'andro ao anatin'ny iray volana.
2. Iray volana manaraka indray dia entina miaka-tohatra isan'andro arahina dia an-tongotra hatrany.
3. Afaka tapa-bolana, mihazakazaka madinika mandritra ny 15 mn isaky ny faran'ny herinandro eny amin'izay toerana malalaka sy hahazoana aina.
4. Ireo no averina miandalana sy ampiana tsikelikely. Fadina ny mijanona an-trano fa mahatonga hanoanana ka mahabe fakam-panahy.
Aza adino ny mitondra voankazao toy ny paoma hatao "coupe-faim" eny an-dalana.