Madagascar vs Senegal [2-2] | Qualification Coupe du Monde 2018

Na dia nitarika tamin'isa 2-0 manoloana ny Senegal, tamin'ny fiodinana voalohany ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin'ny taranja baolina kitra aza ny Barea de Madagasikara, dia mbola tratra t@isa 2-2.
I Faneva no nanokatra ny isa teo amin'ny minitra faha 27' ary izay isa 1-0 izay no nentin'ireo ekipa roa tonta niala sasatra.
Teo amin'ny fizaram-potoana faharoa dia mbola nitarika ihany ny Malagasy, ary nampiditra ny baolina farahoa tamin'ny alalan'i N. Rakotoharimalala (59'). Nivadika anefa ny isa teo amin'ny minitra (71') sy ny minitra (81') izay nanomezan'ireo ekipa Senegal ny valin-kafatra.
Raha io isa 2-2 no jerena dia mana-tombo ny vahiny satria nampiditra baolina roa (02) taty amin'ny tany Malagasy. Raha tiana ny ho tafakatra noho izany, dia ilaina ny mandresy na mampiditra baolina betsaka koa any an-tanin'ireo Senegal amin'ny lalao miverina.
Famintinana ny valin'ny fifanintsanana fiodinana voalohany ny 12/11/15 - 13/11/15
MADAGASCAR 2-2 SENEGAL
COMORES 0-0 GHANA
MOZAMBIQUE 1-0 GABON
SUDAN 0-1 ZAMBIE
BURUNDI 2-3 CONGO D.R.
NAMIBIE 0-1 GUINEA
BENIN 2-1 BURKINA FASO
TOGO 0-1 UGANDA
MAROC 2-0 GUINEE EQUATORIALE

Share this