Manatanteraka
zaikabe andiany faha enina, etsy Antaninarenina
hatry ny omaly ireo manampahaizana manokana momba ny fandidiana ny
rantsam-batana sy ny aretina vokatry ny dona. Miompana manokana momba ny
aretin’ny kiho sy ny lohalika ny lohahevitra dinihina mandritra izany.
Tanjona
ny fanentanana ny olona tratran’ny dona hanatona ireo mpitsabo tsara hofana mba
tsy hampiitatra ny aretina.
Nilaza
ny dokotera Rabenintany Lalarisedy fa « matetika manatona mpanotra na mitsabo
tena ny olona rehefa folaka na tapaka noho ny tahotra na ahiahy ny amin’ny
halafon’ny fitsaboana any amin’ireo manampahaizana manokana ».
Saro-pady
sady lafo ny fandidiana ny kiho sy ny lohalika eto amintsika. Mitentina hatrany
amin’ny 20.000 dolara izay arakaraky ny hasarotan’ny fahavoazana. Manodidina ny
600.000 Ar ka hatramin’ny 800.000 Ar kosa, ny saran’ny fandidiana tsotra
indrindra. Azo sorohina anefa ny fandidiana raha voavonjin’ny dokotera
manam-pahaizana ara-potoana ilay olona tratran’ny dona.
Amin’ny
ankapobeny, maimaimpoana ny saran’ny fandidiana fa ny vidim-panafody sy ny
hofan’ny fitaovana hanatanterahana ny fandidiana no tena midangana. Maniry ny
hanesorana ny haban-tseranana amin’ny kojakojam-pandidiana ireo mpitsabo
manam-pahaizana manokana momba ny dona sy ny fandidiana ny rantsam-batana.
Tatiana
A