Mandalo io seza hitoerana isan’andro io fa tsy natao
haharitra, ka hanaovana jadona entina hampitahorana mpanao gazety.
Tsy manaiky lembenana intsony anefa
ireto farany fa dia hitroatra hanohitra tanteraka ny fanohintohinana ny asa sy
ny fahalalahan’ny mpanao gazety, indrindra ny fanagadrana mpanao gazety.
Tao anatin’ity Repoblika fahefatra, izay
nijoro volana vitsy ity, no Fitondrana sahy nanagadra mpanao gazety teto
Madagasikara, noho ny famoaham-baovao. Tsy mankasitraka izany anefa ny
ankamaroan’ny olona satria fomban’ny Fitondrana taloha efa nahatonga olana teto
amin’ny Firenena izany.
Ny tena mahavalalanina dia entina
hampitahorana mpanao gazety ny ity fomba ratsin’ny mpitondra ity ary izao
haverin’ny Hvm izao. Lasa « virus » ho an’ny mpitondra mifandimby
izany nefa tsy mampaharitra ela azy eo amin’ny toerany akory fa vao mainka aza,
hanena ny fitoerany eo ambonin’io seza mampanaotao foana io. Tsy mety mandray
lesona ny amin’ny zavatra efa nisy izay mahazo io seza io fa dia hanao
fanararaotam-pahefana hatrany no masaka an-doha.
Raha haverina kely ny tantara nahateraka
ny Fitondrana tetezamita dia ny fanakatonan-dRavalomanana Marc ny fahitalavitra
Viva raha nandefa ny fanehoan-kevitra nataon’ny Filoha teo aloha Didier
Ratsiraka. Vokatr’izay dia raikitra ny tolona ary nangataka ny hanesorana ny
minisitra roa lahy tao anatin’ny fotoana fohy ny olona saingy nanao mafy loha
ny Fitondrana, ka dia niafara tamin’ny tolom-bahoaka nanonganana tanteraka ny
Fitondran-dRavalomanana ny hetsika.
Manomboka izao, dia tsy hilefitra
intsony amin’ny fanaovana tsinontsinona ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety
ny mpanao gazety. Tsy miantefa amin’ny mpitondra fanjakana fotsiny ihany izany
fa voakasika avokoa ireo mpitandro filaminana mpanao famotorana sy ny mpitsara.
Efa nisy mpitondra niady tamin’ny
« Mass media » tany aloha tany ary dia niongana teo amin’ny
Fitondrana, amin’ny zavatra tsy dia misy dikany akory, ka hisintonana lakolosy.
Nanomboka ny hetsika ataon’ny mpanao
gazety ary tsy hifarana raha tsy tonga amin’ny tanjona tiana ho tratrarina, dia
ny fahalalahan’ny asa fanaovan-kazety sy ny fahalalahana maneho hevitra. Aoka
hifarana hatreo ny fanagadrana mpanao gazety satria dia ho ratsy fijery amin’ny
vondrona iraisam-pirenena indray i Madagasikara manomboka izao ary tantara tsy
ho adinoina izao fanagadrana mpanao gazety amin’ny Repoblika fahefatra izay vao
nijoro fito volana izay.
Rasoa