«
Tafiditra ao anatina « génération d’écran
» ny zaza malagasy ankehitriny », hoy ny Dr. Nalisoa Ravalitera, mpampianatra
mpikaroka. Tsy mahafantatra afa tsy ny « jeu
vidéo », « jeu PC »
, televiziona, internet, blog, site web… Tsy mahalala intsony ireo karazana kilalao fialamboly fanaon’ny Malagasy fahiny.
, televiziona, internet, blog, site web… Tsy mahalala intsony ireo karazana kilalao fialamboly fanaon’ny Malagasy fahiny.
«
Raha ankizy no tsy hilalao, modia ho
tanora », hoy ny ohapitenenana malagasy. Fiteny maneho fa mila milalao sy
miala voly ny zaza sy ny ankizy.
Efa
ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe, ankehitriny, ny ankamaroan’ny mpianatra
any amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Mibahan-toerana amin’ny
fandaharam-potoan’izy ireo ny lalao sy ny ala voly. Tsy miala lavitra amin’ireo
zava-panaon’ny mpianatra amin’ny fotoana tsy ianarana (alarobia hariva sy
asabotsy tontolo) anefa izany. “Jeu video” any amin’ny efitrano fanaovana
izany.
Tranga
azo adika ho tsy fahaiza-milalao sy miala voly. Tsy vitsy amin’ny zaza sy ny
ankizy malagasy amin’izao aza no milaza fa “lany hatao”… Satria, sady efa
leon’ny mankany amin’ny “salle des jeux” ry zareo no saika efa hainy tsianjery avokoa ny
karazan-dalao ao amin’ny PS2, PS3 ary ny Xbox.
Amin’ny
ankapobeny, tsy fantatry ny zaza sy ny ankizy malagasy miaina amin’izao fotoana
izao ny tena lanjan’ny kilalao sy ny anjara toerany eo amin’ny fiainany. Na tsy
nianatra sy tsy nandalina an-tsoratra ny siansa aza ny Ntaolo, efa nahay fa
fanomanana ny hoavy ny lalao sy ny fialamboly fa tsy fahafinaretana fotsiny.
Tsy mahagaga raha ratsy taiza ny
zaza malagasy sasany
Manana
ny anjara toerana lehibe eo amin’ny fitaizana ny zaza sy ny ankizy ny kilalao
sy ny fialamboly. Tsy mahagaga raha ratsy taiza ny zaza sy ny ankizy sasany
ankehitriny satria tsy mahay milalao sy miala voly. Ratsy taiza satria tsy
novolavolain’ny lalao sy ny fialamboly hanana saina tia karokaroka sy mamorona.
Tsy manana saina mivelatra afaka handinin-javatra fa miandry hotolorana
hatrany.
Manana
akony lehibe eo amin’ny fiainan’ny zaza amin’ny fotoam-pahalehibeazany, ohatra,
ny tsy nahitany tokotany (voafehin’ny rindrin’efatra) fony fahakeliny. Sahirana
kokoa izy ireny raha ampitahaina amin’ireo zatra nilalao niaraka tamin’ny
namany raha eo amin’ny fifandraisana aman’olona. Tsy mahagaga raha very ny
“izay mitambatra vato, izay misaraka fasika”. Nanjary mibahan-toerana ny samy
maka ho azy. Fiarahamonina mifampiolonolona, lavitry ny firaisankina. Samy
mihevi-tena ho “zavatra” satria tsy zatra niara-nilalao tamin’ny olon-kafa ka
tsy mahalala akory ny fisian’izy ireo.
Ny ray aman-dreny no diso
Tsy
afa-belona amin’ny tsy fahaizan’ny zaza sy ny ankizy malagasy milalao ny ray
aman-dreny (Dada sy Neny) sy ny raiamandreny. Tsy mba nampahafantatra ny
fisian’ny fanoron-telo, fanoron-dimy, katro, araboka, tanisa, kiombiomby,
mampiady ravina, raosijamba, sns, izy ireo. Nomarihin’ny zaza sy ny ankizy
nanaovana fanadihadiana fa “na i Dada sy mamanay aza tsy mahay izany”.
Tsy
andaniam-bola be ireo kilalao ireo, saingy tsy vitan’ny ray aman-dreny malagasy
ny nampita azy tamin-janany. Na ny fitantarana angano aza tsy tontosan’ny ray
aman-dreny amin-janany intsony. Angano izay nataon’ny Malagasy ho fanabeazana
ny sain’ny zanany mba hahay handinika ny fifamenoana eo amin’ny olombelona sy
ny zavaboary.
Tsy
ratsy akory ny fananana ordinatera, PS3, XBox, sns, any an-trano. Toraka izany
koa ny fandefasana ny zaza any amin’ny “salle des jeux”… Saingy, tsy voavidy
vola kosa, ny soa azo avy amin’ny fanorona, tanisa, angano sy arira, sns, raha
hitaizana sy hanabeazana ny zaza sy ny ankizy malagasy. Raha ny fandinihan’ny mpahay
momba ny fivoaran’ny fiarahamonina, efa anarivo taona maro no niforonan’ny
sasany amin’ireny lalao na kilalao malagasy ireny ka azo antoka ny fampiasana
aza ho fitaovam-panabeazana mahomby.
Tsetsatsetsa
tsy aritra no ilazana fa anisan’ny nampirindra ny fiarahamonina malagasy fahiny
ny nitaizana ny zaza sy ny ankizy tamin’ireny karazan-kilalao sy fialamboly
samihafa ireny. Goavana indrindra tamin’izany ny tsy nahasahian’ny Malagasy
nandatsak’aina, fahatahorana an’Andriamanitra, sns.
HaRy
Razafindrakoto
Tsara
ho fantatra
Tsy
mbola misy akony lehibe any amin’ny efitrano filalaovana “jeux” (araka ny
fiantsoan’ny ankizy azy) aloha hatramin’izao ny fialan-tsasatra lehibe. Nitombo
5 ka hatramin’ny 15% eo ho eo ihany ny isan’ny ankizy miditra amin’izy ireny.
Mbola
maro mpilalao ny baolina kitra noho ny sarany 200Ar na 300Ar. Ny lalao hafa
kosa efa tafakatra 2.000Ar. ka hatramin’ny 2.500Ar. na mihoatra izany aza raha
mampiasa ny Xbox. Na izany aza, nomarihin’ny mpitantana ireny “salle des jeux”
ireny kosa, fa somary nitombo ny ora ijanonan’ny ankizy ao amin-dry zareo raha
oharina tamin’ny fotoam-pianarana. Milalao elaela kokoa ry zareo.