Tamin’ny fomba habibiana tokoa ny noentin’ireo
fokonolona nanampatra ny hatezerany tamin’ity lehilahy iray izay noheverin’izy
ireo fa ho olo-meloka.
Tsy vitan’ ny nokapaina tamin’ny famaky
fa mbola nodorana velona tao an-trano fonenany ihany koa.
Tao amin’ny Fokontany Faravohitra,
Kaominina Tritriva ao anatin’ny Distrikan’ i Betafo no nitrangan’izany ny
alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva.
Araka ny loharanom-baovao voaray avy any
an-toerana dia nisy lehilahy telo nikasa handrava tovolahy iray izay nifanena
tamin’izy ireo teny an-dalana. Avy hatrany dia nosakanan’ireto olon-dratsy ity
farany no sady norahonany mba hamoaka ny vola sy entana teny aminy. Nanda anefa
ity lasibatra ary niezaka nanohitra ihany koa, ka nitambaran’izy telo ary
naratra mafy. Voaroba avokoa ny zavatra rehetra teny amin’ity voaendaka.Samy
nody tany an-tanànany avy ireo olon-dratsy telo rehefa nahavita vita ny asa ratsiny.
Ny iray tamin’izy ireo dia voalaza fa iray tanàna tamin’ilay tovolahy
niharan’ny fanafihana.
Niantso vonjy ity farany no sady
nitantara ny zava-nitranga tamin’ireo fokonolona. Tsy niandry ela fa teo noho
eo ihany dia nirohotra nihazo ny tokantrano misy ilay voatonona fa nandray
anjara tamin’ny fanendahana izy ireo. Raikitra ny horakoraka sy ny tora-bato
mba hampivoaka ity heverina ho olon-dratsy tao an-tranony.
Niziriziry tsy nety nivoaka mihitsy
anefa izy ka avy hatrany dia nodoran’ny olona avy aty ivelany ilay trano.
Nijoajoala ny afo izay efa nananika ny trano iray manontolo mihitsy. Rehefa
niitatra izay dia nitsambikina avy eny am-baravarakely ilay lehilahy izay efa
nahitana faritra may tamin’ny vatany. Tsy vitan’izay anefa fa mbola
notatazan’ny fokonolona avy ato ambany ary mbola nokapain’izy ireo tamin’ny
famaky ihany koa ka maty tsy tra-drano vokatr’izany.Ora vitsy taorian’izay vao
nigadona teny an-toerana ny Zandary. Hatreto dia mbola ny famotorana sy ny
fanadihadiana mahakasika ity zava-nitranga ity.
Avotra isaorana