“Tsy maintsy atao eto ny fampihavanana na ho ela na
ho haingana. Raha tsy eto ny filoha Ravalomanana, tsy ekenay ny hanaovana
izany. Raharaham-pirenena io fa tsy raharahan-tokantrano.
Alaina daholo ny hevitry ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena hanao ny fampihavanana”, hoy ireo nandahateny tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka, omaly.
Alaina daholo ny hevitry ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena hanao ny fampihavanana”, hoy ireo nandahateny tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka, omaly.
Nahitsy kosa Rakotomandimby Stanislas nilaza fa diso
fikendry ny fitondrana. “Any amin’ny tsy izy ny bala no miantefa. Raha tsy
hiteny afa-tsy tamin’ny volana febroary isika satria tamin’ny andron-dRajoelina
no niteny farany ary henjana ny teniny tamin’izany, milaza fa tsy izaho no
mitady seza fa ny seza no mitady ahy, ary izahay na voailikilika aza, fomba
hafa no tadiavinay”, hoy izy nampahatsiahy.
Nambarany fa na sakanana aza ny filoha Ravalomanana,
nampandefitra ny hambom-pony noho ny tomboantsoan’ny vahoaka 22 tapitrisa.
“Variana manenjika azy ny fitondrana tsy ho tonga eto, nefa tsy mahazo
famatsiam-bola hatramin’izao”, hoy ihany izy.
Momba ny fizarana an’Antananarivo Renivohitra ho
kaominina enina, nambarany fa misy paikady politika izany.
Synèse
R.