Nivoaka
amin’ny fanginany manoloana ny raharaham-pirenena. “Ankasitrahanay ny fanaovana
ny fikaonandoha teny Ivato niresahana ny fitsinjaram-pahefana. Mitaky anefa
izahay ny tena hampiharana izany ho fototry ny fampandrosoana sy ny hizarana
ireo harena araka ny tokony ho izy.
Fototry ny krizy nisesy teto ny tsy nanatanterahana izany”, hoy ny Vondron’ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita (CST) teo aloha, omaly teny Behoririka.
Fototry ny krizy nisesy teto ny tsy nanatanterahana izany”, hoy ny Vondron’ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita (CST) teo aloha, omaly teny Behoririka.
Nambaran’izy
ireo tamin’ny mpanao gazety tamin’izany fa mila apetraky ny fitondrana amin’izao
fotoana izao, ny fototra marin-toerana sy ny tena tany tan-dalàna. “Tokony
hahitsy koa ny lalàmpanorenena. Tsy mazava sy tsy nitovian’ny rehetra hevitra
izany ka nahasarotra ny fanendrena ny praiminisitra”, hoy ihany izy ireo.
Momba
ny fifandraisana amin’ny any ivelany kosa, nahitsy ireto olom-boatendry ireto
nilaza fa fananan’i Madagasikara ny harena an-kibon’ny tany eto. “Antony
mampirongatra ny asan-dahalo anefa ny momba azy io. Tokony hametraka ny fepetra
rehetra sy maka ny andraikitra entina miaro ny vahoaka sy ny fananany ary ireo
harena ny fitondrana. Ho mpiara-miombon’antoka ny vahiny fa tsy miditra lalina
amin’izany”, hoy ihany izy ireo.
Fametrahana filaminana maharitra
Notsindrin-dRakotovazaha
Olivier manokana fa raha vao mirongatra ny fandrobana, ahina mety hitarika
adim-poko izany ka hanararaotra ny vahiny hanao ny fitrandrahana ny harentsika.
“Tsy ampy ny fanaovana ny “Coup d’arret” fa ilana fepetra hafa miaraka
amin’izany mba ho fitazonana ny filaminana maharitra”, hoy izy.
Manampy
ireo ny fitakian’ireto CST ireo ny hanaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna
amin’ity taona ity. “Mba hifidianana ny senatera. Tsy tokony handeha ila koa ny
fandaniana lalàna. Mila hirosoana koa ny fampihavanam-pirenena”, hoy izy ireo.
Anisan’ny
niatrika ny mpanao gazety Ralison Roger, Robivelo Michel, Rakotovazaha Olivier
ary Randriamaholisoa Jules.
Synèse
R.