Mitohy ihany ny fanondranana
sokatra. Sarona tany amin’ny Nosy La Réunion ireo sokatra “radiata”, miisa 24,
avy eto Madagasikara.
Ny 11 jolay lasa teo, nandritra ny fidinan’ireo mpikambana avy ao
amin’ny Birogady misahana ny zavaboahary aty amin’ny ranomasimbe Indiana (BNOI)
sy ny Foibe misahana ny sakafo, ny fambolena ary ny ala
(DAAF) ao La Réunion no nahatrarana ireo sokatra miisa 24. Tao amin’ny tokantranon’ny lehilahy iray monina ao Saint-Pierre no nahitana izany.
(DAAF) ao La Réunion no nahatrarana ireo sokatra miisa 24. Tao amin’ny tokantranon’ny lehilahy iray monina ao Saint-Pierre no nahitana izany.
Ankoatra
ireo, mbola nahasarona atodin-tsokatra miisa 60 ihany koa izy ireo. Natao tao
anatin’ny toerana fanakotrehana atody izy ireo. Mazava araka izany fa natao ho
fakana taranaka ireo sokatra 24 sarona ireo. Araka ny fanambaran’ny fiadidiana
ny Tanàna, tsy nahitana zana-tsokatra tao amin’ilay trano nefa misy fitaovana
fanakotrehana tao anatiny. Heverin’izy ireo noho izany fa amidy ny sokatra
rehefa foy.
Ny
fanambaran’ny DAAF no nahalalana fa, araka ny lalàna manan-kery, ny fiompiana
biby arovana dia misy alalana manokana avy amin’ny fanjakana vao azo atao.
Mbola ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra ihany anefa no nahalalana fa tsy
nahitana taratasy manambara ny fahafahany mitana ireo biby ireo tao amin’ny
tompon-trano. Nandray fanapahan-kevitra avy hatrany izy ireo ka nanala ireo
biby tao aminy ary nametraka izany amin’ny toerana manokana mba ahafahana
mikarakara azy ireo.
Noho
ireo karazana fandikan-dalàna ireo, sazy an-tranomazina herintaona miampy
lamandy 15.000 euros no mety hihatra amin’ity lehilahy ity.
Mparany