Vitsy
mpahalala ! Tsy fantatry ny Malagasy loatra ny zava-bita amin’ny akora
volontsangana. Anisan’ny manana traikefa amin’ity lalam-pihariana ity
Andrianarivoson R.Jacques, ampolo taonany maro nikirakirana azy. Ny Sinoa no
anisan’ny nampiofana azy, ny faramparan’ny taona 80,
nampita ny fahaiza-manao sy ny traikefa, saingy nandalina sy nikaroka koa izy, amin’ny fifehezana ny akora volontsangana misy eto amintsika. Ankoatra ny efa fantatra mahazatra, nambarany fa misy karazany maro ny volontsangana, na bararata, na volosy misy eto Madagasikara, saingy ny fifehezana sy ny fahalalana azy no mila fantarina tsara, arakaraka ny toerana na ny faritra misy eto amintsika. Azo zaraina roa miavaka ny karazana volontsangana eto amintsika, ny maniry any amin’ny faritra mando, na afovoan-tany (tapany atsinanana), ary ao koa ny any amin’ny faritra maina (tapany andrefan’ny Nosy).

Nahitana vahaolana ny hampaharitra
ny volontsangana
Anisan’ny
nampiofana ny tantsaha tany Antsohihy sy Mandritsara, Andrianarivoson Jacques,
notohanan’ny fandaharanasa Prosperer, ny Fida ary ny Inbar (Institution Network
Bambou and Rattan). Misy any an-toerana ny volontsangana, saingy tsy voafehy ny
fikirakirana azy. Saika hampiasaina amin’ny fanaovan-trano (lafin-drihana,
rindrina, alokaloka, fefy, …) no hampiasana azy, saingy, nampiova ny
fiharian’ny mponina ny fiofanana nomeny. Ao anatin’izany ny fampiasana akora
hitahirizana maharitra sy tsy ho simban’ny bibikely.
Efa
nizara ny traikefany teny Tanjombato Antananarivo, Fandriana Fianarantsoa ihany
koa izy.
Njaka
Andriantefiarinesy