Tamin’ny
segondra farany no nandresen’ny Madagascar an’ny Mozambika t@andro fahatelo
fiadiana ny tompon-dakan’Afrika eo amin’ny taranja basket latsakin’ny 18 taona.
Efa nitarika tamin'isa 72 noho 70 ny Mozambikanina no nampiditra "trois points" tamin’ny
alalan’i Elly ny ekipam-pirenena Malagasy, ka dia izay baolina maty farany izay ihany koa no nentin'ekipa roa tonta nisarahana.
Fandresena in-telo misesy noho izany no azon'ekipa Malagasy teo amin'ity sokajy latsakin'ny 18 taona ity.
Amin'ny zoma ho avy izao no hanantanterahana ny lalao ampaha efa-dalana izay hihaonan'ny Madagasikara amin'ny Angola.