Écrit
par Taratra
Mbola
raharaha mafana ny trafika andramena. Araka n y loharanom-baovao azon’ny
Alliance voahary gasy (AVG), misy ny fikasana hamoahana andramena any Antalaha
sy Soanierana Ivongo any. Tsy hita ny vahaolana maika andrasana amin’ny
fanjakana.
Mifanipaka ! Tsy mitovy ny fijery sy ny
fahitan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Ekôlôjia ary ny Ala (Minenvef)
ny tontolon’ny andramena sy ny fikambanana fiarahamonina sivily, Alliance
voahary gasy (AVG). Etsy andaniny, nanome toky ny minisitera, fa tsy tokony hisy
sambo tsy ara-dalàna hanao trafika andramena satria efa misy ny fanaraha-maso
avy amin’ny zana-bolana ny fivezivezena an-dranomasina rehetra. Niaiky anefa
izy ireo fa misy tokoa ireo mikasa hanohy ny fikapana hazo andramena vaovao any
anaty ala, ka noho izay indrindra no haminavinan’ny minisitera hidina tampoka
any an-toerana hanatrarana « ambodihazo » ireo mpanao trafika.
Handray
andraikitra ny zandary ?
Etsy ankilany anefa, nanamafy ny AVG, fa
tsy araka izany velively ny tena zava-misy.
Nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy
ireo mpanao trafika ankehitriny. Raha ny vaovao farany, misy sambo efatra,
afaka mitondra entana hatrany amin’ny 25 taonina avy, niainga avy any Mananara
Avaratra ary ho any Antalaha, niainga nanomboka ny 23,24 ary 25 aogositra teo.
Voalaza fa efa nisy nampandre ity vaovao ity ny zandarima ria any Mananara-Avaratra ary efa nandefa
mpitandro filaminana any ifotony. Fanadihadiana sy fisamborana no andraikitry
izy ireny, saingy mbola ao koa ny Fitsarana, manameloka na tsia. Hatreto aloha,
tsy nisy ny « tena atidoha » voasazy.
Mialoha ity tranga ity, efa nanaitra ny
tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny AVG, mikasika ny fikapana hazo andramena
any amin’ny alan’Ambatovaky, Kambolaza ary any amin’ny tandavanalan’i
Manompana. Voalaza fa taterina amin’ny renirano ny hazo avy any Andapavola, na
Antanambe na Andrangazaha, any amin’ny manodidina an’i Soanierana Ivongo.
Toky
no betsaka
Raha tsiahivina, ny filoham-pirenena no
nanome toky fa hamaky ady amin’ny mpanao trafika andramena. Talohan’izany, nisy
mpanao politika teo aloha nilaza fa manana ny anaran’ireo mpanao trafika. Ny
taona 2011, nisy koa ny horonan-tsary novokarin’ny vahiny mikasika ny zotra sy
tambajotran’ny andramena, hatrany Sina. Tamin’ity taona ity, anarivony taonina
ny andramena tratran’ny ladoany tany ivelany, toy ny tany Sri Lanka, ary
nihoatra lavitra ny tombatombana tahiry (manodidina ny bolabola 22.000) ny
sarona tany amin’ny firenena iray. Ho an’ny minisiteran’ny tontolo iainana, efa
nanolotra ny vahaolana sy ny drafitrasany izy ireo, ary nasian’ny rafitra
iraisam-pirenena miahy ny varotra biby sy zavamaniry (Cites) fanamarihana.
Voalaza fa amin’ny taona 2015 vao tena voavaha ny olana.
Ny hita aloha, io ambaran’ny AVG io fa
mitohy ny trafika ary nanome toky ny minisitera fa tsy tokony hisy intsony
izany. Koa aiza ny vokatra azo tsapain-tanana ?
Randria