Hanamafy ny fiaraha-miasany amin’ny
Governemanta Malagasy ny Governemanta Indianina. “Haverina avokoa ireo drafitr’asa
izay tapaka nandritra ny fitondrana tetezamita”
raha ny nambaran’ny mpiraki-draharaha ao amin’ny maso ivoho Indianina miasa eto Madagasikara, nandritra ny fankalazana ny faha-67 ny fahaleovan-tenan’India.
raha ny nambaran’ny mpiraki-draharaha ao amin’ny maso ivoho Indianina miasa eto Madagasikara, nandritra ny fankalazana ny faha-67 ny fahaleovan-tenan’India.
Raha tsiahivina moa dia momba ny
ara-teknolojia, ny fanamafisana ny traik’efa ny mpianatra sy ny mpiasa
Malagasy, tamin’ny alalan’ny programa “Indian
technical and economic cooperation” (ITEC) sy ny “India
africa forum summit” (IAFS) no
fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.
Nanampy ara-bola ny fitondrana Malagasy
ihany koa ny Governemanta India tamin’ny alalan’ireny ligne de crédits pour différents projets raha ny notsindrian’ity
mpiraki-draharaha eo amin’ny maso ivoho India miasa sy monina eto Madagasikara
ity. Tao anatin’izany ny fanampiana mitentina 100.000 dollars ho an’ireo
tsaboina tany Toliara.
Eo amin’izay lafiny sosialy izay ihany
dia nampahatsiahy ity mpiraiki-draharaha ity fa mbola i Inde no mpamatsy
fanafody betsaka indrindra an’i Madagasikara (60 %).