Aza ataonao fantany 'zao fahoriako izao
Fa aoka hiafina aminy
ny ketoky ny jaly
nanempaka ny aiko, tanatin'ny longoa
Ny dinitry ny foko
manorika ahy mangina,
fa sempo-tsasak'alina
misaina ity anjarako,
Aza ataonao fantany ! ...
Raha manontany izy,
iangaviako ianao
handainga indray mandeha !
Lazao fa nanadino
ny momba azy rehetra
ny saiko manontolo.
"Rako-boninkazo hoe
ireo lavenon-dasa natoraky ny
Adaoro"
Ireto diary ireto lazao
fa efa may sy tapitra efa kila...
....Fa ny volofotsiko,
ny ketrokentron' handriko
Afeno dia afeno !
Azonao izany ?
Etsy kely koa hafarako ianao !
Jereo raha sambatra izy !
Mba hamantaranao dia ireto no fambara:
"Ao an' efitranony, misy voninkazo
tsy maintsy mavokely...
Eo an-doha-fandrianany, ny
sarin'olotiany...
na iza n'iza izay "
Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy
ka aza asiana resaka momba ahy akory,
f'izany rahateo no niriko ho azy...
Izay no hafatrafatro
ka tazony tsara ...Ary dia veloma !
Saingy etsy ange ! '
Ty tànanao ity, aza akasi-javatra
mandra-pifandray ny tànanao sy ny azy...
Eny e ! Ampy izay.Tongava soa aman-tsara
!
Dia akatony mora
io varavarako io
fa hitomany aho...
RADO 27 janoary 1966