Tiako ianao no sady halako
Fa mangidy koa no mamiko!
"Fahavaloko", "Malalako"
Angolaiko hoe "fitiavako"
Na mbantiko hoe "Mpamitaka"
Mifangaro eo am-bavako
Ny hatezerana sy sitraka.
Tezitra aminao ny foko
Misamboaravoara erikitra!
Kelikey indray...
Misoko ilay fitiavako mamikitra.
Rado (1966)