Voninkazo tsy misaina
Fa mamony samirery
eo an-tany karakaina
Ny manodidina rehetra
efa ringitra avokoa
Misy koa ny fo adala ka tsy mety manadino
Ny rehetra raha mangina, izy kosa mbola
mino
Mbola tena mahatsiaro ilay Fitiavana
ninoany
Mbola velona ao am-pony, tsy mitsahatra
mamony.
Mpanoratra: Rado
Sokajy: Fitiavana, Tononkalo Malagasy.