Zotram-piaramanidina
iray mampitohy an’ny New Delhi sy Calcutta any Inde no tsy maintsy nahemotra nohon’ny
fahitan’ny mpandeha iray voalavo tao anatin’ny toerana fampidirana entana ny
talata lasa teo.
“Mety hampitera-doza ny fisian’ny voalavo any
anatin’ny fiaramanidina hoy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ity zotram-piaramanidina
ity raha toa ka manaikitra ny fil ao
anatin’ilay fiaramanidina ilay voalavo.”
Na izany aza dia
“zavatra fahita sy faheno maneran-tany ny
fisian’ny voalavo any anatin’ny fiaramanidina” hoy ihany ilay tompon’andraikitra.
“Ny fisian’ny sakafo masaka na
restauration no tena antony maninontana ny voalavo ho tafiditra any”.