MALAGASY - BEPC
Laza adina : Malagasy lanjan’isa : 3
Safidy : A –B
Faharetany : Ora 3 Sokajy 1
LAHATSORATRA
Maty novonoin’olona Randria hoy I dokotera Rabary … Amboary aloha ny sainao , hevero izay hanjo an’I Malantokely raha misy mahazo anao koa . Notantarainy an-dRamavo ny ady teo amoron-tevana, saingy salovan-tava miendrika sarivato no nanoloana an’IDokotera Rabary sy ny mpitandrina. Nifandimby nampionona izy roalahy.
Mitrakà ramatoa jereo ity mahazo ny zanakao mipitrapitra .Izay vao niverina ny sain-Dramavo … Nahontsonkotsony mafy ny soro-janany ,toa tiany ho taitra ,tiany hiara-mitomany aminy, tiany higogogogo hizara fahoriana aminy , tiany hiara-mitoreo sy hiara-ory aminy ny zanany.
Nifandrombahan’ny fahafantesana ny olo-tiany eo am-pelatanany dia ahatsapana fa misy ampahan’aina mitsoaka avy amin’ny tenany miara-maty aminy, ary ratra sy fangifiriana tsy voalazan’ny teny fampiasa andavanandro no mandrotika ny fo.
Mafy tamin-dRamavo ny fisarahana. Tsaroany tokoa ny herin’ny fahafatesana, tsy azo ivalozana. Tsy zakan’ny sainy ny mahita nofon-dRandria gejaina ao anaty lambamena telososona, ny nofon’ny olo-tiany fa tsy hatao anatin’ity vata, velezina tànana ary totofana vovoka sy tany.
Esther Rasoloarilala RANDRIMAMONJY .
Ho avy ny maraina,tak 188-190
FANOTANIANA
A1-FAHAZAHOANA NY LAHATSORATRA:
1-1-Hevi-teny
a) Manomeza teny na andian-teny mitovy hevitra amin’ny teny eo ambany ao amin’ity fehezanteny ity:
Tsaroany tokoa ny herin’ny fahafatesana, tsy azo ivalozana.
b) Manomeza teny na andian-teny mifanohin-kevitra amin’ny teny misy tsipika eo ambaniny ao amin’ity fehezan-teny ity :
Ratra sy fangirifiriana tsy voalazan’ny teny fampiasa andavanandro no mandrotika ny fo.
1-2-Hevitra ao amin’ny lahatsoratra :
Nanao ahoana ny fihetsin-dRamavo teo am-pandrenesana ny fahafatesan-dRandria?
1-3-Famitinana ny lahatsoratra:
Fintino amina fehezan-teny telo ny lahatsoratra, araka ny hevi-dehibe raketiny.
2- Fitsikerana ny lafiny fanehoan-kevitra:
2-1-Ny mpanoratra sy ny sokajin-dahatsoratra:
a) Mpanoratra sy ny asa soratra :
Ampifandraiso ireto mpanoratra ireto sy ny asan’ny vadiny
Mpanoratra Asan’ny vadiny
· Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA * Dokotera
· Esther RANDRIAMAMONJY * Ambasadaoro
- Sombitantara sa tantara foronina no hita ao aminn’ny boky Lavakombarika ?
b) Sokajin-dahatsoratra :
Inty misy ampahandahan-tsoratra :
‘ Maty novonoin’olona Randria, hoy i dokotera Rabary …Amboary aloha nysainao. Hevero izay hanjo an’I Malantokely raha misy mahazo anao koa .
- Sokajin-dahatsoratra inona io ?
- Hamarino ny valin-teninao (valinyroa)
2-2-Fanehoana ny kanto
Inty misy fehezan-teny:
Tiany hiara-mitomany aminy , tiany higogogogo hizara fahoriana aminy, tiany hiara-hitoreo aminy sy hiara-ory aminy ny zanany .
Fidio amin’ireto ny sarin-teny mety ho hita ao amin’io fehezan-teny io (valinyroa)
- Fanoharana
- Tamberin-teny
- Filaza-masaka
- Fitanisan-javatra manao ambaratonga
B-MIKASIKA NY RIBA
1-Riba ao amin’ny lahatsoratra:
1-1 Fisehon’ny riba:
a Milaza fomba lehibe telo(3) fanaon’ny Malagasy rehefa misy maty, hita ao amin’ny lahatsoratra
Araka ny lahatsoratra. Lazao ny fomba nanehoan-dRamavo ny alahelony .Manomeza antony roa nanaovany izany.
1-2-Hevitra fonosin’ny riba:
a) Inona ny hevitra fonosin’ny fehezan-teny hoe; Mitrakà Ramatoa!? (valiny roa)
b) Manomeza ohabolana roa(2) momba ny”fahafatesana”
2- Riba ao amin’ny fandaharam-pianarana :
2-1-Fisehon’ny riba :
a) Inona ny fomba fiarabana ny olona avy niteraka tsy nahazo zaza?
b) Milazà fitaovana roa ampiasaina amin’ny alavolon-jaza
2-2-Hevitra fonosin’ny riba :
a) Midika inona ny vodi-ondry eo amin’ny fanambadiana?(valiny roa)
b) Inona avy ny voka-dratsin’ny tsy fanambadiana teo amin’ny Malagasy?(valiny roa )
D- MIKASIKA NY FITSIPIKA
1-Rafi-teny;
1-1-Endrin-teny
a) Tsipony ny teny ahitana filaza-mandidy ao amin’ity fehezan-teny ity :
Maty novonoin’olona Randria, ka amboary ny saina, hevero izay hanjo an’IMalanto “
b) Rasao ny teny misy tsipika eo ambaniny amin’ity fehezanteny ity ary lazao ny anaran’ny hasin-teny tsirairay :
Tsaroany tokoa ny herin’ny fahafatesana tsy azo ivalozana.
1-2 Sokajin-teny
Fenoy ny banga eo amin’ny tsanganana tsirairay miainga amin’ity fehezan-teny ity
Mafy tamin-dRamavo ny fisarahana.
TENY
|
SOKAJIN-TENY
|
Mafy
|
--------------------------------------------------------------
|
-------------------------------------------------------------
|
Mpampiankin-teny
|
Ramavo
|
----------------------------------------------------------
|
-------------------------------------------------------------
|
mpanoritra
|
2-Fifehezan-teny:
2-1- Anjara asa :
Omeo ny anjara asan’ny teny misy tsipika eo ambany:
F: “ tsaroan-dRamavo tsara fa mafy ny fahafatesana
2-2-Hevitra ara-drafitra sy fitodika
a) Hevitra ara-drafitra
Lazao ny hevitra ara-drafitry ny teny misy tsipika eo ambaniny ary hamarino ny valin-teninao,
F1: “ Notantaraina an-dRamavo ny ady teo”
F2:”Mafy tamin-dRamavo ny fisarahana”
b) Fitodiky ny fehezan-teny
Omeo ny fitodiky ny fehezan-teny ary hamarino ny valin-teninao :
“ Nampionona an-dRamavo izy roalahy “
2-3- Fifehezan-kevitra
Avaho ny fifehezan-kevitra eo amin’ny fehezan-teny
Ity ary lazao ny fifandraisany avy eo;
“Tiany ho taitra izy ka hiara-hitomany aminy”
E- FAMORONAN-DAHATSORATRA
“ Mafy ny fisarahana amin’ny havan-tiana, noho ny fahafatesana” Hazavao ny hevitra ary tohano amin’ny alala’ny fehezan-teny dimy ambin’ny folo (15) ahitana rafitra sy drafitra mazava tsara ary zohin-kevitra mirindra tsy ahitana tsipelina diso ny valin-teninao.