“Mandrora mitsilany ka mahavoa ny tenany”.
“Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatantesa
valin-kitsaka”.
“Ny soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza
mihatona”.
“Aza manenjika ny osa fa mbola henjehin’ny mahery”.
“Ny homehy lava aza misy todiana maika fa ny
mitsambiky mikipy”.
“Todin’ny ambara tsy nentina ka mivingin-kazo tsy
fantatra”.
“Raha todi-paty aza manody fa raha todi-pitia
manodiàva”.
“Lalina ny rano azo lakanina, lalina ny hady azo
toharana; maizina ny andro azo tsilovina, fa ny ratsy atao tsy misy fanafody”.
“Alana tsy afa-kamory, alam-paditra tsy tsinin-drazana
azo ivalozana fa ny tondin’ny natao tsy misy fangoloka”.
“Ny atao toy ny salaka, soa atao mihodidina, ratsy
atao mihodina”.
“Ny tsiny fanilika ny vava fa ny tody tsy misy
fanafany”.
“Izay mamafy rivotra hijinja tadio”.
Hoy I Fety
Michel in (Fanabeazana sy Fiainam-pirenena,
tak 19):
“Zava- dehibe amin’ny Malagasy ny fisian’ny atao hoe
tody (….) fa araka ny finoana dia valin’ny natao io tody io izany hoe na inona
na inona ataon’ny olona na tsara izany na ratsy ,dia tsy maintsy miverina aminy
ihany ny valin’ny nataony”
“Na tsy ny tenany aza no handray ny valiny dia mbola
ao ny tarany hijinja azy”
“Ny taho-tody no isan’ny miaro ny Malagasy teo aloha
tsy hanao ratsy olona loatra.”
“Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy
mitera-boka-dratsy eo amin’ny fiainana n ratsy atao”
“Nofoanan’ny fanabeazana Frantsay tao an-tsain’ny
Malagasy izany taho-tody satria lazainy fa finoam-poana mpahazony olona tsy
nahita fianarana io”
“Ary dia izany taho-tody izany no isany miaro ny
Malagasy teo aloha tsy hanao ratsy olona loatra fa notandremany fatratra kosa
izay natao”
“Ny tody tsy misy hoy izy fa ny atao no miverina ka na
dia tsy tena ny aza miverina handray ny valiny dia ao ny taranany hijinja azy”
“Tsy finoanoam-poana velively akory ny fisian’ny
todin’aina fa tena misy tokoa”
“Tsy maintsy tonga ny valin’ny natao na ho elana ho
haingana”.
Reverand père
RAHAJARIZAFY in (Filozofia Malagasy):
“Ny eritreritra oi ihany no efa mamaly anao ,ao
anatinao ,melohiny tsy ampandriany mandry raha mania ny ratsy ary derainy sy
omeny toky raha minia amin’ny tsara”
“Tsy maintsy manasoa marina izay tsara fanahy nyn
ataony ary tsy maintsy mahavoa marina izay ratsy fanahy koa ny nataony”
“Ny nataonao tamin’ny hafa tsy maintsy hitody aminao”
“Ny tsiny mbola azo sorohina fa ny tody tsy misy
fanefitra”
“Indreto misy valim-pitondran-tena tsy azo foanana dia
ny tsiny sy ny tody”.
FETY Michel: “Io Andriamanitra
mahita ny ataon’ny olona io dia tena mamaly ny olona arakany asany avy. Izany
hoe, ioAndriamanitra io no tena mamerina amin’ny olona ny todin’ny nataony, na
tsara izany na ratsy”.
Emilson Daniel
ANDRIAMALALA:
- Rehefa hadihadiana ny loharano nipoiran’ny harem-be
rehetra dia tsy maintsy loto sy fotaka no miboiboika ao (in ilay vohitry ny
nofy)
- “Manana mpitsara tsy mety diso amin’izay ataoko aho
dia Andriamanitra, sny tsiny sy ny tody (in fanagasiana)
- Fa ny fianarana mantsy dia nitarika ny sain-tsika
tsy hino intsony ny zavatra tsy azo hamarinina ka ny tsiny sy ny tody izay tsy
azo porofoina dia apetrakan’ny sain-tsika hiray toerana amin”ny
finoanoam-poana”
- “Hevirin-tsika ho marim-pandrosoana ny tsy finoana
intsony ny tsiny sy ny tody”
- Efa matimaty ao anatin-tsika Malagasy indrindra ny
mponina an-tanan-dehibe ny finoana ny tsiny sy ny tody ka nefa ny an’ny hafa
nenti-namono azy tsy latsaka anaty”
- Ny tsiny sy ny tody dia aro fanina mba tsy
hianjerana any amin’ny fanjakan’ny baroa”
- Na tsy misy aza ny tsiny sy ny tody dia tsy maintsy
ho foronina satria tsy misy firenena afaka hivelona ampilaminana tsy
manan-javatra hajaina sy hatahorana”.
Adolf RAZAFITSALAMA (Boky ny Finoana sy ny Fombany):
- Tsy ho raraka an-tany akory ny soa atao ary tsy ho
afa-maina ny mpanao ratsy fatsy maintsy ho tody ny ataony ihany”.
- Ny tody na valin’asa dia mety hampiharin’ny izay
nasian-dratsy ihany koa”
- Iray ihany ny valin’asa avy amin’ny tody any ny
valin’asa avy amin’Andriamanitra”
- Tsy mila finiavana avy amn’ny olombelona ny
fampiharana azy”
- Ny avy amin’ny fiaraha-monina na dia azo porofoina
mivantana ny fiaviany (….) ny avy amin’Andriamanitra (…..) dia tsy azo
porofoina mivantana ny fiaviany
Paul RAKOTO (Boky Tsy Leondrano, tak 14):
“Ny tody dia sandan-keloka , araka ny finoan’ny
Malagasy , ny heloka , ny fotoana dia misy sandany ao amin’ny fiainan’ny
olombelona any tody ny fandehanana amin’ny lalana mihitsy amin’ny fanaovana ny
marina no hitodian’ny valiny tsara eo amin’ny
fiainana”.
Joseph RAKOTONIRAINY: “Samy misy
todiny avokoa izay ataon’ny rehetra”.
Paul RAMASINDRAIBE (Fokon’olona fototry ny firenena):
“Ny valin’ny fotoana tsy iandrasan-tsika hivahany ny
tody”
“Indraindray efa taranaka mihoatry ny roa aman-telo no
lasa vaomitranga ny tody”
“Tsy rotitra akory ny Malagasy Asian-dratsy… fantany
fa tsy maintsy hitody izany”.
RANDRIANJATOMANANA Olivier, in (Singakevitry ny Mpandinika):
“Fositra iray tsy mampandroso ny firenena ny
fatahorana ny tsiny sy ny tody”
“Manome vahana ny mpanao ny ratsy ny fiandrasana ny
tody mbola ho ela ka nefa tsy tsara ny mamaly ratsy ny ratsy”.
RATREMA William, (Riba sy Lohahevitra):
“Mety hisakana ny olona tsy hihoatra (ny) amin’ny
tsindry hazo lena mianjady aminy ny fiandrasana ny tody”
“Misakana ny olona tsy handray andraikitra mazàna ny
taho-tody ,ny vokatr’izay dia mazàna ny olona mpitady tombontsoa manokana no
misolatsolana amin’izany”.
RAMANGAMALEFAKA, (Gazety Basy vava lah 81-82, 1908): “Ny ratsy
atao ho loza mihatona”.