LAZA
ADINA I : Fanontaniana :
1) Milazà mpanoratra roa efa nahazo ny loka
akbaraly ? manomeza lohateny iray avy amin’ireo boky nosoratany
2)
Mitanisà
karazana literatiora am-bava telo sy ny faritra ahitana azy avy.
Atao ahoana re ry Tsiry a! ny fon’ny mpanambola tsy
mba mitempotempo fiantrana
Ka tsy izany fiantra izany no ilako fa ny tokony ho ahy!
Tsy mangataka
aminy aho fa mitaky ny anjarako.
Ka ny anjaran’ny
mahantra anie dia izay atolotry ny mpanana azy ihany e!
Dia inona ny
fahamarinana amin’izany?
An’Andriaminitra
ny fahamarinana fa an’ny vola ny rariny eto an-tany.
Mampalahelo
izany fa saingy araka ny hitako dia ny firenenana manan-karena,ny
tambatr’orinasa manan-karena.
Ary io fahefana
io no ajorony ho rariny. Ny “rariny” kosa indray no ifotoran’ny “mariny”.
Ary ny “mariny”
no atao hoe:Marina
Ny akoatra izay,
tsy izy! Na raha “izy” tsy misy lanjany akory! ......
(…..) dia vitany
famotorana teny anosy. Tsy misy olona azo notanana tamin’ny fitondrana volamena
antsokosoko ity afa-tsy izaho irery, ary milaza ny tatitra fa efa niaiky izany
aho.
Ny fiarovan-tenako,
maivana! Tsy misy porofo! Aiditra eny am-ponja ianao hiandry ny fitsarana anao! Hoy ilay mpitsara mpanao famotorana.
Tsy niaro tena
intsony aho; atao inona moa izany?
Efa tsy marina
ny mariko. Efa sandoka ny fahamarinako. Naleoko mangina …