Tompokolahy sy Tompokovavy
Tsy sanatria aminay ny hanao
toy ny ranon’Ikopa ka tonga namana vao mavomavo, fa faly izahay miarahaba
anareo ato an-tokatranonay. Ianareo no andrasana tompoko, efa eto avokoa ireo
solontenan’ny fianakaviana izay atrehi-mahefa, iambohoava mahavita. Afaka
miroso amin’ny resaka sy ny dinika isika tompoko.
Mialoha izany anefa, ao ilay
tenin’ny soratra masina manao hoe
“Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa
foana ny mpanao azy, raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, dia miaritory
foana ireo mpiambina”.Raha tsy izy no nitantana sy nivimbina antsika,
nahafahana nihaona toy izao dia tsy tanteraka izany. Koa rariny sy hitsiny raha
hisaotra azy isika mialoha ny dinika sy ny resaka.