Mpangataka
Te hikorana izahay, te hitoto rebika
nefa ao ilay fitenenana manao hoe: ny mihinan-kena tsy lasam-bidy hono mihinana
amin’eritreritra, ny mitafy lamba tsy lasam-bola hono mitafy amin’ahiahy ary ny
mitari-bady tsy lasam-bodiondry hono henatra amin’ny tany ama-monina.
Raha tamin’ny andro fahiny tokoa mantsy,
dia nisy hatrany ireo fanomezana natolotra ho an’ny rafozana mba ho
fanomezan-kaja amam-boninahitra azy ireo.
Tamin’ny andron-dRafohy sy Rangita ary
Andriamanelo, dia ombalahy rangatandroka no atolotra.
Tamin’ny andron’Andriamasinavalona dia
tanimbary no natolotra ho an’ny rafozana.
Tamin’ny andron’Andriambelomasina dia
ondrilahy mivadik’ofaka no nentina ho an’ny rafozana.
Tsy lalàna raikitra anefa ireo rehetra
ireo, fa ao ilay fitenenana manao hoe: “miova andriana miova sata”
Koa tamin’ny andron’Andrianampoinimerina
dia nosoloina volamena ny vodiondry mba hitovizan’ny vahoaka rehetra, ka ny
tovolahy tsy manam-bolamena no mitari-bady tsy lasam-bodiondry.
Nampiarahina amin’ny vakivakim-bola sy
vato velona izany volamena izany ary fonosina voro-damba fito sosona, mba
hanehoana ny faniriana.
Ho mafy tahaka ny vato ny fanambadiana,
ary ho saro-bahana tahaka ny fatorana ny fitiavana.
Ankehitriny tompoko, dia manolotra ny
solom-bodiondry izahay nahajam-bolana ho valim-pitia ireo loharano nisehoan’i
Mirana.
Manaraka izany, tsy havakavahana tahaka
ny ketsa na hosoritsoritina tahaka ny volo fa ampiarahanay ato ihany ireo
sakelika marobe miaraka aminy ho an’ireo hazo tapakin’ny akalana, ho an’ireo
kiady sy voninahitra rehetra, dia:
- Ny valim-babena
- Ny solon’ala volofotsy
- Ny solon’ny maka kitay
- Ny solon-tsakarano
- Ny hasim-boasarin-jaza niara-nihinana
- Ny saron-karon-drahavavy
- Ny zaram-pangadin-dehilahy
Koa atolotray am-panetre-tena lehibe tompoko;
tsy sahaza anareo tolorana fa sahaza ny tana-manolotra.
Ny ranofotsy hono tsy azo ho vary, ny
vato an-tanan-drahalahy tsy atora-borona, tantely tapa-bata izy ity, ka ny fo
no mameno, fatra ny an’Andriamatoa mantsy, atao tahaka ny akoho manatody, izay
tsy alatsany anio, alatsany indray raham-pitso, rahafak’ampitso koa, mbola
andro ka tsy solom-bodiondry intsony no ateriny amin’izay fa ireo adidy
amanan-draikitra manandrify azy.
Raiso am-pifaliana fa vokatry ny
fitiavanay!