Tompokolahy sy tompokovavy!
Faran’ny vilo ny omby
Faran’ny omby ny hena
Misy farany avokoa ny zava-drehetra, na
dia tiana aza ny hiarahan-tsika mikorana eto.
Eto ampamaranana, dia misaotra indrindra
anareo izahay, fa notafianareo haja, notoloranareo voninahitra, amin’ny
fanotronana anay, tsy mba nankamamy asa aman-draharaha ianareo, tsy voasakan’ny
adidy aman-andraikitra hafa, tsy nandala ny vola aman-karena fa tonga
tamim-pitiavana tokoa.
Raha mikalo tsy amim-baliha hono, tsy
manga raha mandihy tsy amin’amponga maivana, raha mamindro lavitry ny afo
mangatsiaka”.
Eny maivana tsy manga, ary mangatsiaka
izao lanonana izao raha tsy natrehinareo. Koa misaotra indrindra tompoko, tsy
atao sitraka andro hanaovana tahaka ny tongotr’omby mihosy anie izao, fa
sitraka enti-matory, telina enti-mifoha.
Farany, ny amin’ny sakafo izay nomanina
teo, raha sanatria nisy izay tsy lavorary, dia aza omen-tsiny fa tsy satrin’ny
mpandihy ny mipetraka sy misonenika an-toerana, fa ny lamba ho enti-mitsangana
no tsy misy.
Ka izay re no vita tompoko, izay no
masaka, nahandro takatra, izay no takatry, ny ananana. Toy ilay ondrilahy
mifatotra am-patorana, ka izay takatrin’ny tady no anaranam-po.
Tsitsina mitondra vonintenona ihany, ka
izay zakan’ny vava no entina. Koa dia mahasoava, tongava nofo, manjaria tolana
hahasoa sy hahatsara.
Mankatelina indrindra tompokolahy
makasitra indrindra tompokovavy!