Tompokolahy sy tompokvavy!
Raha tsy miteny toa sosotra
Raha tsy mamaly toa tezitra
Atao ahoana tokoa mao ny hangina
manoloana izany teninareo izany. Raha ny marina dia izahay no tokony hisaotra
anareo satria nandom-baravarana izahay dia novohana, nangataka ny ho tokantrano
dia nomena, ny resaka natao tamim-panajana sy fahendrena feno.
Tsy mba nataonareo toy ny voasary
ivelan’ny saha izahay, na voaloboka ivelan’ny vohitra. Tsy nataonareo ho
olon-kafa izahay, na ivelan'ny fianakaviana, fa nataonareo tena havana, ka
nantsoinareo hanatrika izao andro malaza izao.
Tsy vitan'izany ihany, fa nisahirananareo,
norosoanareo hanim-pitoloha, tsy kely velively ny nahandro naroso, fa tsy ny
tana-manolotra no mahatsapa sy mankasitraka indrindra, tompoko.
Farany, indreo ianareo roa, ny
dinam-pitiavana izay nataonareo teo anie, tsy hanao tahaka ny landim-boatavo,
iolaka tsy irainjehy; tsy ho mena-mivadika tahaka ny andro ririnina, fa ho
tahaka ny vary eny an-doharano, taninin'ny hainandro tsy mba malazo, tsofin'ny rivotra, tsy mba
miraraka, rarafam-panala tsy ngoly.
Hisaraka isika tompoko, koa dia manao
veloma mandram-pihaona.
Tsy haharay tanana anareo rehetra anefa
izahay, ary torak'izany koa ianareo, fa dia havondrontsika amin'izy roa ny
fifandraisan-tanana sy fifanaovam-beloma. Aorian'ny fanompoam-pivavahana
famaranana, dia mangataka azy ireo hijoro eo am-baravarana horaisintsika
tanana.
Veloma Tompokolahy, Soava Tompokovavy!