Mpangataka: Tompokolahy sy tompokovavy!
Zina e ny vaninandro korana, fa meva
fibaliaka ny masoandro. Feno haravoana izao rehetra izao fa tafahaona, ny
tamboho mitady sy ny tamboho tadiavana.
Misaotra sy mankasitra anareo izahay fa
raha tonga teto nandom-baravarana dia novohanareo, raha tapatak’ahitra sy
nitoritory ravina izahay dia tsy nisy mafy nalain’ny nify teto fa ny malemy
niraisin'ny molotra, tsy nataonareo fola-tanana manondro na fotsy rora niteny.
Nitady toko izahay ka sendra vato,
nitady mamy ka sendra tantely, nitady tiana ka tojo Malala. Nifanojo ny tia sy
manina, koa faly ny fonay mianakavy, fa ny atody nakotrika foy avokoa, ny
saonjo nambolena tsy namarara, ny anton-dia nahafinaritra
Misaotra tompoko!