I) Fampahatsiahivana ny tantaran'ny mofo
- Fomba Malagasy hatramin’izay fa tsy
fomba nentin’ny vahiny akory.
- Taloha dia nisy ny tolotra
(bolongan-kena natao teo ambony ravina maintso), vary amin-dronono
tondrahan-tantely, ireo fitaovana samy hafa nampiasaina izay samy manana ny
heviny avokoa (lovia tanimanga…..) ireo sarin-drary (ravina isan-karazany…..)
- Ny endrika amam-bikany no niova, araka
ny zava-misy nentin’ny fandrosoana.
II) Hevitra fonosin'ny mofo
1. Votoantin-kevitra:
- Fifamofoana: fitiavana no resahina (ny
lahy no manapaka ny fitiavana ho an’ny vavy, ny vavy mandidy ny fitiavany ho
an’ny lahy
- Mariazy: tokantrano no resahina (miara
manapaka sy mandidy ny tokantranony). Na toy inona na toy inona karazana mofo
amin’ny fanambadiana, dia mitovy ihany ny hevitra fonosiny:
Ny fifankatiavan’ny mpivady, ny
fahaiza-mitondra tokatrano, ny fahaiza-mitondra ny Havana
sy ny fiaraha-monina, amin’ny alalan’ny fizarana ny soa sy ny mamy.
Arahina firarian-tsoa avokoa ireo rehetra ireo araka ny sarin-drary hita eo
amin’ny mofomamy.
2. Sarin-drary
Sary asehon’ny mofo amin’ny fampakarana
hanatanterahana ny firarian-tsoa:
- Azo atao ny mijery ny zavatra
mandravaka ny mofo. Avy amin’izany no hanatsoahana ny hevitra (toy ny trano,
rano, voninkazo)
- Ny endrika amam-bika isan-karazany:
Be fototra: tsara fototra ny
fianakaviana, ny fitiavana ny tokantrano….
Efa-joro: Hahay hifandray amin’ny zorony
efatra, (vazantany efatra)
Fari-bolana: Mifandray ao anantiny sy ny
manodidina.
Telozoro: Tonga lafatra ny fiainana.
Fifandraisan’ny lavany, sakany, haavony,
fifandeferana eo amin’ny tokantrano, fihavana eo amin’ny fianakaviana. Ho
reharehan’ny fiaraha-monina sy ny firenena.
Ny tsirony:
Azo atao ihany koa ny miresaka ny
tsiron’ny mofo raha azo antoka ny akora nanamboarana azy. Ohatra: atody
nesorina tamin’ny akorany.
Dibera avy amin’ny ronono nokapohina sy
nosodihina siramamy avy amin’ny fary.
Eo am-pandinihana ireo rehetra ireo no
nahafantarana fa misy ireo singa tsy nilaiana ao anatin’ireo akora ireo ka
voatery nesorina.
Ohatra: ny akoran’atody, ny faikam-bary
… tamin’ny fanamboarana ny mofomamy, azo ampitahaina amin’ireo toetra tsy nety
taloha tamin’izy roa izany, ka ilaina ajanona, fa ilay akora nofatenana kosa
dia azo oharina amin’ilay toetra mendrika iraisana ao anatin’ny tokatrano.
3. Hozaraina ny mofo: fomban’ny Malagasy
hatry ny ela ny misantatra zava-baovao amin’ny fiainana.
Eto dia satry ny fiarahan’izy mivady,
mizara ny soa sy ny mamy, ho an’ny fianakaviana iray manontolo, tsy hanao
mizana tsindrian’ila fa hahay hampitovy ny lafi-kavana roa tonta, ho an’ny
mpiarabelona ihany koa
III) Rehefa vita ny fanazavana rehetra
dia miroso amin’ny fanapahana sy fandidiana ny mofo.
- Tsara raha faranana amin’ny tso-drano
sy firarian-tsoa izany. Marihina fa ohatra ihany ireo nomena ireo fa ilaina ny
ananan’ny mpikabary saina tonga tampoka satria miovaova ny mofomamy. (Ohotra:
mofo voanjo, mofomamy misy dobera, mofomamy misy voankazo, mofomamy amin’ny
ronono sy ranom-boankazo mandry…)
Santionan’ny amin’ny fanapahana sy
fandidiana ny koba
(Amin’ny fotoanan’ny fifamofoana)
Ny tongolo manitra an-tsaha, ny tantely
manitra an’ala, ny fitiavana manitra eto amin’ity tokatrano ity. Koa ho
fanamafisana orina sy ho fanambarana am-pahabe maso izany fitiavana izany, dia
manoloana ity koba ity isika ankehitriny, mitovy amin’ny mofomamy izay
fahitantsika matetika amin’ny fotoana fifamofoana tahaka izao ihany ny heviny,
ary fahinyaza, nisy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, izay natao taoanaty
tsatok’aty, dia nahohoka eo ambony ravin’akondro…
Marihina fa na dia nisy aza ireo zavatra
samihafa nentin’ny fandrosoana dia iray ihany ny hevitra fonosin’izy ireo.
Amin’ny fifamofoana tahaka izao, dia ilay endrika ny fitiavan’izy roa, ary
zava-dehibe ilay fanapahana sy fandidiana azy.
Maro ny fanamboarana ity koba ity izay
novaina endrika avokoa ny ankamaroan’izy ireny. Ohatra amin’izany: ny voanjo
izay nesorana amin’ny hodiny; ao koa ny siramamy izay azo avy amin’ny fary ka
ny faikany izay ajanona; nisy koa ny vary izay akotry no niandohany.
Henontsika, araka izany fa nisy hatrany ireo akora izay nilaina, ka nesorina
talohan’ny nanamboarana koba.
Midika izany, fa samy nanana ny fomba
nanabeazana azy sy ny fiainany koa izy ireo taloha, ka nesorina izay toetra tsy
nety rehetra, nojerena izay marimaritra niraisina, ka lasa nitambatra ho iray.
Toy ny vary sy rano, ka an-tanàna tsy mifanary, an-tsaha tsy mifandao”.
Ary hintantsika fa tsy vitan’izay ihany,
fa mbola nohamafisana sy nofonosina ravina indray, ary mba nofatorana ihany koa
mba tsy hivaha, midika izany fa tsara aro ny fiankatiavan’izy roa. Toy ny vary
maniry eny an-doharano taninin’ny hain’andro tsy mba malazo, tsofin’ny rivotra
tsy mba miraika, rarafam-panala tsy ngoly” mafy orina ny fifankatiavan’izy roa.
Rehefa ho hanintsika io koba io dia hita
fa tena mamy midika izany fa mamy ny fitiavana, ary tsy amin’izao voalohany
izao ihany, fa hatramin’ny farany. Ho mamy toy izany koa anie ny fitiavan’izy
roa ka tsy ho toy ny tantely an-tanam-boka akory, mamy fa tsy tian-kohanina fa
ho toy ny tantely manatody amim-pary, ny manatody mamy ny hanatodizana
mamy. Rehefa avy eo dia ho zaraina ny
koba, fa tsy ho azy irero ihany, hahay hizara ny soa sy ny mamy ho an’ny
mpiara-belona aminy anie izy roa.
Tsy misy havan’ny lahy sy ny havan’ny
vavy fa hanao zara mitovy lafin-kavana roa tonta.
Mitsangàna ary ianareo roa, raiso ny
antsy. (Ny lahy miteny hoe “Manomboka izao dia tapahiko ho an’i ….. ny
fitiavako manontolo”. Ny vavy miteny hoe: manomboka izao dia didiako ho an’i……ny
fitiavako manontolo”). (Ny tsara kokoa raha niomana mialoha amin’ny teny izay
ambarany izy roa, ka tsy manoro intsony ny mpikabary, fa efa manana
vetsovetsom-pony izy ireo nefa ny hevitra fonosiny dia iray ihany”).
Tontosa soa aman-tsara ankehitriny ny
fanambadianareo koa ny vary tsy arahin-dranonorana hono, manakofa, mamindro
lavitry ny afo mangatsiaka, ny fanambadiana tsy arahin-tsodrano tsy maharitra,
ka hoy izahay hoe: ho ampoky ny soa indindra anie ianareo ho sendra ny tsara
maharitra, hitombo hery sy tanjaka ka ho tsara ririnina, ho soa fahavaratra, ho
tomaratra fararano, ho mandin-dohataona, ho lava velona, hiadam-pinaritra.