Tompokolahy sy Tompokovavy
Ny tonga tsy miarahaba hono,
naman’ny tezitra. Ny arabaina tsy mamaly naman’ny sosotra. Koa ny
voalohan-teninay dia ny fiarahabana anareo, nandray anay amin’ity tokantrano
ity. Arahaba tsara tompokolahy arahaba tsara tompokovavy. Manaraka izany,
Ny andraso andraso hono
mahariva andro
Ny andao andao maha very
entana
Nefa na maika aza tsy
hitondra entana tsy voafehy.
Koa marina fa ny amin’ny fotoana tahaka izao, dia ny fianakaviana avy aty amin’ny zatovolahy no andrasana, nefa ny manotany tsy ananan-tsiny tompoko ka aleo hono tompoko manontanitany foana hihomehezana toy izay manao taofoana ho tezerana, efa eto ve ireo angady mahatapak’ahitra antsy mahorom-bilona ireo solontenan’ny fianakaviana mahatapa-kevitra hahafahantsika miroso amin’ny dinika sa mbola misy ny andrasana? .Raha toa ka efa eto izy ireo, tompoko dia hatombotsika ny dinika, raha toa moa mbola misy ny andrasana dia zanaky ny fanantenana izay ka mbola vonona ny hiandry. Misaotra tompoko!