Ohabolana mikasika ny Marina
« Ny marina tsy mba
maty »
“Ny olona no miady ny marina
no aolaka”
“Ny marina mitavozavoza tsy
mahaleo ny lainga tsara lahatra”
“Fisaka ny to malama ny
marina”
“Bala mahatra ny marina ka
tsy atifitra toloho”
“Teny zato, kabary arivo,
tokana ihany ny marina”
“Ny marina toy ny trondro vaventy
ka tsy hita raha tsy amin’ny lalina”
“Ny marina toy ny tsiriry
anaty harefo, tsy maty fa malazo”
“Ny marina toy ny afo, raha
fonosina mandoro”
“Ny olo-marina tahaka ny
vato lava sorona ka izay hametrahana azy marina avokoa”
“Fanafodin’ny osa ny marina
ataony”
“Tokin’aina ny marina atao”
Tenina mpandinika:
- Charles RANAIVO “ny fahalalana ny rariny”, Ny fiainana n°94 1936:
“Tsy afaka hanao ny rariny
isika raha tsy mahafantatra ny marina. Ny marina anefa saro-tadiavina. Ary na
fantatra aza izany dia tsy ho tanteraka ihany ny rariny tonga lafatra”
- Dadavelo, Gazety Imongo 1941:
“Ny fahamarinana dia toetra mody
mangarangarana sy mahaleo-tena misy fangarony sy azo ampiana na anesorana”
“Matroka na tsy hita
mihintsy aza izy raha laroana fitiavam-bola na derana fitiavam-boninahitra, fa
raha izy irery kosa no ampanjakaina ao antsaina sy ao am-po dia miteraka madio,
foantra sy fahamasinan-toetra izany”
“Izany fitiavana ny marina
izany no mahatonga ny sahy miaritra loza sy fanday sahan-drà ary ny
fahafatesana aza hanjakan’ny rariny sy ny hitsiny, Izay heveriny fa
hitsakitsahin’ny tsy tia fahamarinana”
- Ny alina d’ambohidahy, Gazety
zanakin’ ny fifohazana lah 85, 1942:
“Matoa misy firenena
fatra-pandrosoana dia noho ny faherezan’ny sainy mikaroka sy mankato ny marina”
- RAKOTOVAO, Mpanolo-tsaina lah 83, Jolay 1924:
“Ny firenena mandroso dia
fatra-piaro ny marina, manaja ny fahamarinana”
“Hiadana ny tany raha ny
marina no ampanjakaina “
“Ny firenena sambatra sy
miadana dia firenena mampanjaka ny fahamarinana”
- Joseph RABETAFIKA, Mpanolotsaina lah 04:
“Mangidy ny andro
andrenesana ny filazana ny marina”
“Lazao ny marina amin’ny fanoroan-kevitra
maha soa sy ny fanaovana anatra tsy misorona”
“Mbola zavatra tokony
ianarana fatratra amin’ny ankamaroan’ny olona ny tsy hilaza afa-tsy izay tena
marina ihany amin’ny resaka ataony”.
- Maurice RASAMUEL:
“Izay ela niainana mahita ny
marina toko ny hizorana”
- J. Nalisoa RAVALITERA
“Ny tanintsika leitsy tsy
mahantra olo-manga fa mahantra olo-marina”
- IPA, vakivakim-piainana tak 45:
“An’Andriamanitra ny fahamarinana
fa ny vola no rariny eto an-tany”
-Emilison Daniel ANDRIAMALALA. Ny fanagasiana tak 57-58:
“Ny fitondrana ny marina dia
mandray ny heriny avy any amin’ny vahoaka sy mifototra amin’ny rariny sy ny
hitsiny araka ny maha-olombelona”.