- Ratrema WILLIAME, riba sy lohahevitra, tak 75:
“ Ny mpitondra fanjakana no
mamaritra amin’ny alalan’ny didy aman-dalàna (….) ny atao
hoe rariny « Voafetra »
na « hitsiny » izay mifanaraka amin’ny fitsipika ajorony
fahitsiny »
Vokatry ny fampiharana ny hitsiny: lanja
- Miteraka filaminana
- Fanajana ny rariny hafa,
ny zon’ny hafa
- Firindrana – manosika ny
olona mba hifanaja sy hifanomehasina
Ny vokatra ratsy:
- Ny fiononana
- Ny fanararaotana
:-manjakazakany matanjaka ka mitondra fijaliana ny madinika- ny tsindry
hazolena ataon’ny manam-pahefana na ny sokajin’olona mahefa ny panam-pahefana
Ny toetry ny hitsiny:
- Miova isakin’ny
fiaraha-monina na manaraka ny tantara
- Iarahan’ny rehetra
mahalala fa tsy mila tadiavina
- Tsy arahin’ny rehetra na
dia tsy fantatra aza (tsy misy olona azo raisina ho tsy mahafantra ny lalàna )raha
tsy nahalala azy dia meloka raha nandika izany
Ny atao hoe tsy manao ny hitsiny dia:
- Manao varo-maizina
- Ireo mivily lalana, mania,
tsy manaraka ny fomba tsara aton’ny be sy ny maro
- Ireo mihoa-pefy
Ny hitsiny mifanohitra amin’ny hoe meloka dia:
- Ny hitsiny dia tsy miangatra, tsy makany anjaran’ny sasany, tsy
mampiasa teti-dratsy amin’ny fitondrana ny fiainana ary ireo manao ny marina
Ny liana ny hitsiny eo amin’ny fiainana:
- Entina manohitra ny fanodikodinana ny rariny ho an’ny tombo-tsoa
manokana
Ny teny sy ny andian-teny
ary fomba fiteny:
a) Hitsi-po: tsy miolakolaka
tsy miatsara velatsihy. Hitsin-dalana: lalana akaiky indrindra tsy mivilivily.
b) Ankatsirano : tsy
an-kifonofonona an-kanafinafinafa am-pahatsorana
c) Mahitsy fanahy : mahitsy
saina, marina
d) Ankitsiloha : tsy misy
olakolaka, am-pahatsorana
OHABOLANA mikasika ny hitsiny:
- “Ny omby matin’ny taviny,
hazo matin’ny hitsiny”
- “Aza manao bingo manao
matso fa mandeha amin’ny hitsiny”
-
“ Izay manondro lalà-mahitsy mamindra aina”
- « Ny heloka nilaozana
tonga hitsiny fa ny rariny hitompoana tonga raiben-keloka
- “Izay manao ny rariny
manao ny hitsiny”
- “Tezitra alohan’ny rariny
ka tsy misy hasiana ny hitsiny”
- “Zatra lalan-dririnina ka
fahavatra avy no manao hitsin-dalana
Tenina Mpanoratra mikasika ny Hitsiny:
- Joseph RAKOTONIRAINY , Ny tsaran’ny razantsika, tak 22:
“Aza malady tezitra ambony
ihany fa raha tezitra alohan’ny rariny tsy misy asiana ny hitsiny”.
- RATREMA Willame @ riba sy lohahevitra:
“Izay mifanaraka amin’ny
fitsipika no hitsiny ary izay tsy mifanitsy amin’izay no heloka”
- RANDRINJOMANANA Olivier in singan-kevitry
ny mpandinika tak 30:
“Dingana tsy maintsy andalovana hanatanterahana hitsiny ny famantarana
ny marina sy ny rariny.”