vendredi 10 juillet 2015

Ranjan-Kabarin’ny Mpamoaka

Mpitondra teny avy amin’ny zatovovavy: Kabary savaravina
Tsy hanao tahaka ny vatolahy mijoro amoron-dalana izahay, arahabain-tsy mamaly, iresahana tsy mivolana, fa anananay ny sofina mihaino, ny saina mandinika, ny vava miteny, ka ho valinay tokoa ny resakareo teo satria ny teny ifamaliana mahatsara fihavanana.
Koa misaotra indrindra anareo izahay fa notafianareo haja, notoloranareo voninahitra; tsy sahinareo natao tany ivelam-bohitra ny fitiavana, fa nosafidianareo ny dinika ambany tafon-trano koa misaotra indrindra tompoko.
Manaraka izany, he indray zatotovolahy entinareo.
 - Tendrombohitra tsy mihoatra an’Ankaratra
 - Lohasaha tsy mihoatra an’Ilepona
 - Tovolahy tsy mihoatra anao izao
Vao tery lavitra tery ianareo dia efa nampirisika ny tanora hoe: “aza asiana resaka lava intsony fa sao ianao manao boka mihalo-poza ka manosika azy hiverina.”
Ireo Ray aman-dreny indray, izay tsy te hanolo-bato mafana ny zanany dia nanafatra fa:
“Aoka ianao tsy ho dorokan’ny fidoroboky ny akoholahy fahavaratra, fa lasan-ko volo  fotsiny ireny. Borahy ny farihy hahitana ny trondro. Savasavao ny fotony hahitana ny vahany.
Tsy sanatria akory tompoko, zanaka tsy tiana ny anay ka zara aza misy mpangataka, fa sarobidy loatra aminay izy io. Izy no kalokalo mpampangina tomany, tsikitsiky fanao ody sento aminay, ka tsy mety aminay ny mihinana amam-bolony.
Misy koa ny fitenenana manao hoe:
“Tsara ny sora-jandiana fa ny miofo no tsy laitra, na ho tratrin’ny andro dia vasoka”
Diniho tsara Andriamatoa fa sao dia toy ny ranomaso teren-tsetroka fotsiny, na fitia alain’ny maso raha jerena afaka ihany, sao fitia nalaina teny an-pakana kitay ka levona am-pisoronana afo.
Mety hilaza angamba ianareo hoe: nanahoana no dia nanantsafa tahaka izany indray. Tovolahy hangata-bady ve hanotaniana fitiavana? Ny manadihady anefa tsy ananan-tsiny tompoko, ny mamakafaka tsy ananam-pondro, ary amin’ny maha andron’ny fitiavana ny anio, dia tianay ho velon-tsoratra tsara izany fitiavana izany, ny lasa fantatray fa nahafinaritra, ny anio tsara fa hanao ahoana kosa lahy ny ampitso, ny ho avy ny mandrakizay?
Tianay ho tanteraka ara-bakiteny ilay fitenenana feno fahendrena manao hoe:
Raha tiana ho tody ny laka-nitana, avadiho ahitana ny hatevin-damosiny, raha tiana hateza ny lamba nitafy, tsongoy izany tenony ndrao dia tsy mafy, ary raha tiana hateza ny fanambadiana ny tokim-pitiavana hanotaniana.
Aza atao hoe mikom-damba anaty zavona izahay, ka manao izay tsy hifankahitana, fa matoa izahay manao aro riaka raha main’andro, matahotra ny tondra-drano raha fahavaratra, matoa izahay miadam-pinaritra dia mitady ilay marin-tampona hijanona. Mba te hahazo toky ireto fianakaviana ireto, koa tena tianao marina ve i Mirana?