Mpangataka: Kabary savaravina
Izay no ela, Tompokolahy sy tompokovavy, saingy ela tsy azo
lalovam-potsiny, fa ela nisavasavana ny raviny ka nahitana ny fotony, dia ny
fototr’izao nahatafaray antsika mianakavy izao: ny fanambadiana ara-pomba
Malagasin' ireo zanatsika izany.
Tonga eto izahay, tompoko manotrona sy manome voninahitra izao
zatovolahy efa nomenareo toerana voatokana izao, azafady mba mintsangana kely
ianao ho hitan’ny olona, ry Njato. Tovolahy izao tompoko:
- Raha mivoaka maro mpitazana
- Raha mivolana maro mpihaino
- Raha mandeha maro mpanotrona
- Raha miasa maro mpandrisika
Sady matahotra no manam-pahendrena ny tovolahy tompoko. Tsy misy
mihitsy ny ohatr'izao. Manasa anao hipetraka amin’izay ary misaotra anao.
Volana vitsivitsy lasa izay dia niteny tamin’ireo Ray
aman-dreniny izy nanao hoe: Fony mbola zaza aho dia niteny toy ny zaza,
nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza, fa ankehitriny kosa efa nilaozako
ny fahazazana”.
Efa nilaozany ela hono tompoko ny fahazazana, efa nidirany ny
fahatanorana. Maro ny adidy aman’andraikitra izay iantsorohany amin’izany”. Ka
mahatsiaro mila namana izy hifanohana aminy hifanampy amin’ny sarotra,
hifamahana raha noana, hifampitsabo raha marary, hifanafy raha rovi-damba
,hifampionona raha ory, hifanotrona raha faly, fa raha tokam-pivoy hono
tompoko, tsy misosa.
Koa raha nijery sy nifantina izy dia resy lahatra fa maro ny
soratr’omby fa ny sada no marevaka, maro ny vorona fa ny railovy no manga feo,
ary maro ny tovovavy fa ny zanakareo Mirana ihany no nandrian’ny sainy.
- Eto aminareo hono tompoko no misy ilay havozo hanitrin’ny ala.
- Rambiazina hanitrin’ny tanety, voasary hanitrin’ny saha.
- Tongolo manga afaka, fary manga vololona.
- Ravin-tambolo tian’ny nify, ravin-tapia tian-dandy
- Tsara fanahy sitrak’olona
- Ny lalovany aza mamerovero, maika fa ny lamba tinafiny
Koa tonga eto aminareo izahay tompoko solontenan’ny fianakaviana
avy amin-drakoto sy razanany avy amin’ny lafin-dray, Randria sy Ramaria avy
amin’ny lafin-dreny; izay niteraka an’Atoa Rasolofo sy Rtoa Raketaka ireo no
masoandro amam-bolana nisehoan’ny zatovolahy Andrianandraina Njato izay
nitondra anay aty aminareo , izay tsy iza fa Ra…… sy Ra…… (Ray aman-dreniny zatovovavy), taranaka avy
amin-dRa….. sy Ra……. Avy amin’ny lafin-dray, teraky Ra……… sy Ra……… avy amin’ny
lafin-dreny.
Ireo no:
- Tendrombohitra niteraka ny havoana
- Havoana nitera-dohasaha
- Lohasaha nitera-doharan0
- Loharano nipoiran’ny zatovovavy Rasoavololona Mirana, izay
hangatahin’ny zanakay ho tokatranony.
Tonga izahay tompoko hangataka ny ho vohitra, ny ho tokatrano,
ny ho farany, ny ho dimby ny ho loharanon-taranaka.
Ny vero no afa-mijoro, hono teny iarana avy amin’ny rivotra ny
jabo no azo tafiana teny iarana avy amin’ny landy, ny laingo no azo hohanina
teny iarana avy amin’ny vary, ny fanambadiana no tanteraka teny ierana avy
amin’ny fototra niandohana, na dia eo aza ny fifankatiavan’izy roa. Tsy avy
manao sinto-mahery izahay tompoko na tonga hitratrevatreva, fa tonga kosa
amin’ny teny malefaka sy ny ladim-pihavanana, manatanteraka ny dinidinika
ambany tafon-trano, mba ho fanomezan-kaja amam-boninahitra anareo.
Koa mangataka ny zatovovavy RASOAVOLOLONA ho tokatranon’i ANDRIANANDRAINA
Njato izahay.