“Aza ny lohasaha mangina no jerena fa
Andriamanitra ao antampon’ny loha”
“Zanahary tsy tia ratsy”
“Fikasana ny an’olombelona fa ny didy
an’Andriamanitra”
“Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary
tsy omem-pondro fa ny olombelona no be siasia”
“Andriamanitra tsy andrin’ny hafa
andriko ihany”
“Aza mandidy alohan’Andriamanitra toy ny
mpanotrika akoho”
“Vodivarin’Andriamanitra ny olombelona
ka izay tiany halaina no Alaina, ary izay tiany havela no avelany”
“Ny iray tahitahin’Andriamanitra, ny
iray tahitahin’olombelona”
“Aleo meloka amin’ny olombelona toy izay
meloka amin’Andriamanitra”
“Ny maty aza te ho maro”
“Velona iray trano, maty iray fasana”
“Raha razana tsy hitahy, fohazy hihady
vomanga”