Zoky o! Fa maninona kay isika no
mijaly?
Zandry a! Zao akia ny fiainana
ety an-tany a!
Zoky o! Ny antsika anie ka mafy
loatra e!
Zandry a! Ka isika anie tsy afa-manoatra
e!
Zoky a! Zaho zany tena noana!
Zandry a! Eo akia rano aloha
sotroina!
Zoky a! Andao isika ho any amin’ny
Neny!
Zandry a! Tsy mety fa bedin'ilay
Ray kely!
Zoky a! Andao aloha handramana e!
Zandry a! Efa tany zaho fa
voahoso boa-tanana!
Zoky a! Fa dia nahoana loatra e?
Zandry a! Aza dia mora misendoatra!
Zoky a! Zaho anie ka marary e!
Zandry a! Mangina akia fa aza
mitomany an!
Zoky a! Dia inona no atao e?
Zandry a! Mivavaka sy mitalaho!
Zoky a! Isika anie ka tsisy
mihaino e!
Zandry a! Ao amin’Andriamanitra
ny tsiambaratelo!
Dia mino ve i zoky fa mihaino
antsika izy?
Zany anie ry zandry tsy mba
misafidy e!
Zoky o! Dia aona zany no atao?
Zandry a! Mandohalika sy
mitalaho!
Zaho anie ry zoky ka tsy mahay an’izany
e!
Zandry a! Lazao aminy daholo izay
any am-ponao any!
Source: Fb/Fyantsoa
Aucun commentaire:
Publier un commentaire