Aza mamaky an'ity raha tsy te hitomany
Fa raha te hitomany de tohizo ihany.
Ny fiainanay koa aza tsy mba mahaliana.
Izahay hono henatra ho any fianakaviana.
Ny fiainanay koa aza tsy mba mahaliana.
Izahay hono henatra ho any fianakaviana.
Mba nanan-kaja izahay tany ambanivohitra
Fa simban'ny dahalo satria tsy nahatohitra.
Niezaka hono i dada ny hiaro anay
Kay lavon'ny dahalo de nandry fahizay.
Fa simban'ny dahalo satria tsy nahatohitra.
Niezaka hono i dada ny hiaro anay
Kay lavon'ny dahalo de nandry fahizay.
I neny irery no sisa mba ianteherana.
Fa natahotra dahalo dia niova toerana.
Diplaoma tsisy ve moa de hahita asa?
Zahay izao mangataka moa i neny manasa
Fa natahotra dahalo dia niova toerana.
Diplaoma tsisy ve moa de hahita asa?
Zahay izao mangataka moa i neny manasa
Aucun commentaire:
Publier un commentaire